- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihan-jiolahy tao Ihosy : Polisy iray voatifitra, jiolahy roa maty

Fanafihan-jiolahy tao Ihosy : Polisy iray voatifitra, jiolahy roa maty

Nitangorona ny olona, nandriaka ny rà tao Ihosy.

Nirefodrefotra tsy nifankahenoana ny basy tao an-tampon-tanan’Ihosy tao. Vokany, jiolahy roa, izay voalaza fa efa rain-dahiny tanteraka amin’ny asan-jiolahy no maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy. Nisy pôlisy iray kosa no naratra rehefa voan’ny bala teo amin’ny tanany. Jiolahy iray kosa no azo sambo-belona, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana.

Raha ny zava-nitranga, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nisy lehilahy telo, izay tsy fantatra na avy aiza na avy aiza no naka efitrano hatoriana tao amin’io toeram-pisakafoanana, tsy lavitra ny Point Triangle, afak’omaly alina. Ny maraina dia nipetraka nisotrosotro teo amin’io toerana io ireto olona telo. Nihaodihaody sy hafahafa fihetsika izany, talohan’ny nipetrahan’izy ireo nisotro hoy ireo nanatri-maso sasany. Taorian’io voalaz fa toa hoe nizara vola izany izy ireo. Tamin’izay anefa no niainga ny fifamaliana tamin’izy telolahy ireto. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana sy fandrohanana ny tompon-trano izay niezaka nandamina. Niantso pôlisy avy hatrany moa ity farany rehefa hita fa hafahafa fihetsika mihitsy ireto olona ireto. Nony tonga ireo mpitandro filaminana dia fantatra avy hatrany izy ireo, noho ny tarehin’ny roalahy izay efa tsy zoviana amin’ny pôlisy intsony, ary dia noraisim-potsiny. Raha iny nentina nihazo ny fiaran’ny pôlisy iny anefa ny iray no namoaka basy poleta ary nitifitra ilay pôlisy nitondra azy. Naratra ity farany ka votsotra ny « kalach » teny aminy. Izany no nararaotin’ilay jiolahy iray nalaina. Raha iny teo am-piomanana ny hitifitra iny mihitsy ity farany no tonga aloha ny valin-kafatr’ireo pôlisy nahita ny namany voa. Maty tsy tra-drano ity farany. Voatifitra torak’izany ihany koa ilay iray nitifitra pôlisy saingy naratra mafy fa tsy maty. Nezahiana nentina nihazo toeram-pitsaboana moa rehefa voafehy tanteraka ny fikomian’izy ireo saingy teny an-dalana ho any amin’ny hôpitaly dia namoy ny ainy. Tao anatin’izany fifampitifirana izany ihany koa dia voan’ny bala ny tompon-trano. Efa samy nahazo fitsaboana sahaza azy avokoa moa na ity farany na ilay pôlisy voatifitra.  Azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy kosa ny basy poleta iray niaraka tamin’ny bala. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity tany an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici