- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana cash point : Maty ilay voatifitra teo Ampasanimalo

Fanafihana cash point : Maty ilay voatifitra teo Ampasanimalo

Nodimandry omaly teny amin’ny hôpitaly (HJRA) ilay tovolahy tompona cash point voatfika tamin’ny sabotsy tolakandro lasa teo. Raha tsiahivina dia, saika handeha hanao « versement » izy sy ny anabaviny io andro io no notafihan’ny jiolahy teny an-dalana. Sady nitifitra ireo jiolahy no nandroba azy ireo. Voaroba tamin’izany ny vola 10 tapitrisa ariary sy ny finday fampiasan’izy ireo. Voan’ny bala teo amin’ny kibony ilay lehilahy ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly Mpitsabo Mikambana eo Ampasanimalo ihany. Tsy vita teo anefa ny fitsaboana ka voatery nentina teny amin’ny HJRA io andro io ihany. Dia izao izy namoy ny ainy izao. Araka ny fantatra dia halevina any amin’ny fasan-drazany any Ambatondrazaka Ratompokolahy. Hatreto moa dia mbola tsy misy ny voasambotra tamin’ity raharaha ity.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici