
Kodiaran-droa misy roa no voatafika tao anatin’ny iray andro. Ny voalohany nosasaina teo Andavamamba. Ny faharoa kosa dia teny Itaosy. Samy mitovy ny fitrangany satria samy nambanana basy ny tompon’ny moto dia nalaina an-keriny ny kodiaran-droa. Vetivety dia niparitaka ny vaovao satria tsy nisalasala ny nitady vonjy tamin’ny tambajotra ny tompony. Vao nahita izany ny olona dia nihorohoro, indrindra ireo manana moto.
D.R