- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana eto Toamasina : Saron’ny polisy ireo efa-dahy ao anaty tamban-jotra...

Fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina : Saron’ny polisy ireo efa-dahy ao anaty tamban-jotra « bande des huit »

Nahazo LP ny tompon’itony

Tena volana mainty tamin’ny fanafihana mitam-piadiana ny volana janoary tamin’ity taona ity, satria saika isan’andro dia nahitana izany hatrany ary saika namoizana ain’olona hatrany izany teto Toamasina. Taorian’ny baiko hentitra nomen’ny lehiben’ny OMC Toamasina, ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ireo mpitandro ny filaminana, dia samy nampiasa ny paik’adiny sy ny fanangonam-baovaony izy ireo, ka ho an’ny polisim-pirenena Toamasina dia tratran’izy ireo ny efa-dahy tamin’ireo ekipa « bande des huit » mpanao ity fanafihana mitam-piadiana amin’ny alalan’ny PA sy ny bala 9mm ana mpitandro ny filaminana. Ny tena nanaitra fa raha nozahana ny kara-panondron’ireto efa-dahy tratra izay niaiky ny heloka nataony ireto, dia saika avy any Ambovombe avokoa izy ireo, ary ireo namany efa-dahy mbola ifampitadiavana dia saika lasa nitsoaka any amin’ity distrika ity avokoa ankoatra ireo miafina ao Antananarivo araka ny angom-baovaon’ny polisy hatrany. Raha ny fakana am-bavany natao an’ireto efa-dahy mpanao fanafihana ireto dia niaiky izy ireo, fa ny ekipan’izy ireo no nitifitra nahafaty ilay mpivarotra tao Valpinson namonjy fodiana ny volana desambra ny taona lasa iny. Mbola izy ireo koa no nitifitra nahafaty ilay mpivarotra hivatsy entana tao amina tranombarotra iray tao Ankirihiry, ny volana novambra ny taona nivalona iny ; ary mbola ny telo tamin’izy efa-dahy ireto koa no namono nahafaty tamina bala efatra ilay mpivarotra « money mobile » tao Tanambao V farany teo; izay mbola mitsabo tena ny vadiny voatifitra tamin’ny kihony. Na nilaza ny asa ratsy efa vitany ireto andian-jiolahy ireto dia tena mikatom-bava kosa izy ireo momba ilay basy PA misy ilay bala 9mm ana mpitandro filaminana fampiasan’izy ireo, izay voalaza fa hofaina saingy tsy mivoaka mihitsy ny anaran’ny olona hanofan’izy ireo izany. Ankoatra izany, dia nanaitra ny nahita ny roa tamin’ireo efa-dahy tratran’ny polisy ireto, satria vao  haingana izy ireo no sarona niaraka tamina porofo ary nahazo famonjana vonjimaika nefa izao efa miriorio eny amin’ny fiarahamonina izao sahady ; sy araka ny angom-baovao « marim-pototra » natao, dia efa nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo olona efatra voasambotry ny polisy niaraka tamina kalaky tratra ambodiomby ny taona nivalona iny raha nahazo famonjana  vonjimaika teny amin’ny fitsarana ny taona nivalona iny. Torak’izany koa ireo andian-jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tao amina tranombarotra mpamongady toaka Anjoma, ny 30 desambra 2018 izay nampangain’ny sarin’izy ireo tamina « camera ».

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici