Tsy niandry ela ny alarobia teo fa vao nahazo vaovao tamin’ireo andrimasom-pokonolona ny teo anivon’ny polisim-pirenena, dia avy hatrany dia nanetsika ny UIR, “Unité d’Intervention Rapide”, sy ny FIP, Force d’Intervention de la Police”, eto Toamasina. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana teo amin’ny Ingahy Rajerison Monja na “Bebeto” isan’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izay efa nifampitadiavan’ny polisy vao niseho matetika izao fanafihana olona tetsy sy teroa izao, izay niteraka fahafatesan’olona telo tamin’ny herinandro farany ny volana septambra teo ireny. Ny findainy latsaka tamin’ny fifanenjehana teo aminy sy ny polisy no nanamora ny fisamborana azy izao raha ny fanazavana. Tratra tsy afa-nihetsika Ingahy Bebeto tao amin’ny “Pont mainty” nikarohana azy, saingy noho ny herin’ny “ody ratsy” ampiasainy dia mbola fifanjevoana be vao nanaiky lembenana ny tenany. Ireo rojovin’ny polisy namatorana azy aza misokatra ho azy in-03 be izao nandritra ny fitondrana azy hamonjy ny biraon’ny polisy. Raha ny fanazavana dia Depot – Cité Vohitsara – Pont mainty – Mangarano II – Mangarivotra – Ambalamanasy – …ary Tsarakofafa, no tena fanaovan’ity Bebeto ity ny asa ratsiny, ka heverina fa isan’ny nitarika ireo andian-jiolahy namono ilay mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina tao Tsarakofafa RN02-Bis tamin’ny tifitra bala telo sy mbola nanolana ny zanak’ity maty ny fiandohan’ny volana oktobra teo ity Bebeto ity. Amin’izao nahasamborana azy ireo dia efa fitoriana telo amina kaomisaria telo no miandry azy noho ny heloka vitany. Tratran’ny polisy tao Mangarano II, lalana miditra ny trano fandraisam-bahiny Fanjava iny, koa ny ekipan’ny “Kawitry”, na ekipan’i “Dada” mpanao fanafihana sy mpamaky trano ary mpanendaka ihany koa. Tamin’ny fahatrarana ireto andian-jiolahy antsoina hoe “Kawitry” ireto dia tratra tany amin’izy ireo ny bala miisa 17, ka miisa 10 “22 long Rifles” sy miisa 07 ny bala fanairana saingy mahafaty raha akaiky ny tifitra atao aminy, eo am-pikarohana ny naman’izy ireo roa dia i Joseph Emile sy Fano, ity farany izay tompon’ny basy fampiasan’izy ireo, ny polisim-pirenena eto Toamasina izao. Efa naparitaka ihany koa ny sarin’izy roa lahy ireto izao.
Malala Didier