- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana tao Ambanja : Zandary iray sy miaramila iray nosamborin’ny pôlisy

Fanafihana mitam-piadiana tao Ambanja : Zandary iray sy miaramila iray nosamborin’ny pôlisy

Fito ny fitambaran’ireo olona nosamborin’ny pôlisy, tany amin’ny faritra Ambanja iny noho ny  fanafihana mitam-piadiana mpandraharaha sinoa iray tany an-toerana. Mpitandro filaminana ny roa tamin’ireo, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, izay nahitana zandary sy miaramila, dadarabe kosa ny iray tamin’izy ireo ary olon-tsotra ny efatra.

Raha ny zava-nitranga : teratany sinoa iray mpanangona « cocombre de mer » no niharan’ny fanafihana tao Ambanja, ny tapatapaky ny volana febroary lasa teo. Fito lahy ireo mpanafika tao amin’io fotoana io ; izay nanao tifitra variraka avy hatrany raha vantany vao tafiditra ny tanana. Naratra voan’ny bala ity sinoa ity ary vola mitentina  200 tapitrisa ariary teo ho eo no lasa. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ny pôlisy tany an-toerana ary nanokatra ny fanadihadiana, tamin’ny alalan’ireo taim-bala. Andro vitsivitsy taty aoriana, araka ny fampitam-baovao hatrany, dia nisy olona roa nampiahiahy avy any Ambilobe, handeha ho any Ambanja, nosamborin’ny pôlisy. Rehefa natao ny famotorana sy ny fisavana azy ireo, dia nahitana volabe mitentina eo amin’ny 32 tapitrisa ariary teo tany amin’izy ireo izay tsy voasazy velively ny nahazoana azy. Rehefa niditra lalina ny famotorana, dia nilaza ilay tompon’ny vola fa anjarany tamina resaka fanafihana sinoa tao Ambanja io, ary teo ihany koa no nanonona ireo namany hafa. Taorian’io dia nisy olona efatra hafa nosamborina, ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika. Voalaza anefa teo, fa mbola tsy amin’ireo ny tena atidohan’ilay fanafihana ankoatra ilay nahatrarana ilay volabe. Mbola misy olona enina hafa any, nandray anjara nivantana tamin’ilay fanafihana. Namoahana filazana fampitadiavana izy ireo nanomboka teo. Ny faramparan’ny volana martsa teo no fantatra, fa any amin’iny distrika Vangaindrano iny ireo olona ireo ary niroso tamin’ny fisamborana ireo pôlisy : « ny famotorana natao tany an-toerana no nanamarina, fa izy ireo tokoa no naman’ilay iray nitondra volabe teny ambony moto tratra tany Ambanja. Roa no olon-tsotra mpandray anjara mivantana, iray miaramila zazavao mpiray tsikombakomba, iray zandary am-perinasa mpamatsy fitaovana ary iray dadarabe » hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nalefa avy hatrany any Ambanja moa izy ireo hanohizana ny fanadihadiana sy ny fanenjehana. Efa naverina tamin’ny tompony kosa ilay volabe tratra tany am-boalohany, ny ambiny kosa mbola tsy fantatra hoe nankaiza.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici