- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana tao Mahitsy : Jiolahy raindahiny efatra voasambotra

Fanafihana mitam-piadiana tao Mahitsy : Jiolahy raindahiny efatra voasambotra

Telo herinandro taorian’ilay fanafihana nahery vaika niseho tao Mahitsy, nisesisesy ny fisamborana ireo olon-dratsy izay fantatra fa nandray anjara tamin’izany, tany an-toerana, nataon’ny avy eo anivon’ny zandary.  Efa-dahy  izy ireo ary mbola misy iray karohina fatratra amin’izao.

Ny zava-nisy. Toeram-pivarotana roa no indray lasibatry ny jiolahy nirongo fiadiana ny alin’ny talata 19 janoary lasa teo. Nirefodrefotra tsy nisy toa izany ny basy tamin’io fotoana io, nentina nampitahorana ireo mponina. Soa ihany, araka ny vaovao fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy. Na izany aza anefa dia fantatra fa vola mitentina eo amin’ny dimy tapitrisa ariary latsaka teo no lasan’ireo tsy valahara, niaraka tamin’ny entana maro samihafa. Tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana tamin’izay, saingy efa tafaporitsaka nafenin’ny haizina avokoa ireo olon-dratsy. Nanomboka teo ny fikarohana azy ireo, izay nataon’ireo zandary tsy mandry andro tsy mandry alina nanao ny fanadihadiana. Ny voalohandohan’ny volana febroary lasa teo dia namokatra ny fikarohana natao ka isan’ny voasambotra tao anatin’izany ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe « Kary ». Nanaraka azy taorian’izay ny namany iray hafa, izay voasambotra tao amin’ny fokontany Ambohimandray, kaominina Mahitsy hatrany. Iray andro taorian’izay dia tra-tehaka ihany koa ny naman’izy ireo hafa, izay efa jiolahy raindahiny ihany koa, izay voasambotra tao Antongombato, kaominina Mahitsy hatrany. Nanaraka ny andron’izay, ny nisamborana ny jiolahy iray hafa, tao Andobo, fokontany Antanetibe, kaominina Mananjara. Marihana, hoy ny fampitam-baovao fa ny roa tamin’ireo olon-dratsy ireto dia efa hikoizana tanteraka amin’ny fanafihana mitam-piadiana ary efa nampitondra faisana olona maromaro. Tsy vitan’izay fa efa nigadra noho izay resaka fanafihana sy ny fikambanan-jiolahy izay ihany koa ry zalahy ireo. Mbola misy naman’izy ireo hafa, izay karohina fatratra amin’izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenana, izay fantatra amin’ny anarana hoe « Toky ». Fantatra mantsy fa isan’ireo nandray anjara tamin’io fanafihana tao an-tampon-tananan’i Mahitsy io ihany koa ity farany. Tsy mijanona hatreo araka izany fa mbola mitohy ny fikarohana. Taorian’ny fanadihadiana sy famotorana azy efa-dahy voasambotra ireto moa dia natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna. Eo anatrehan’izay dia mbola manentana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo olona mety mahafantatra na manam-baovao mahakasika ity raharaha ity ny eo anivon’ny zandary, ahafahana mamongotra ny mpanao ratsy, hoy izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici