- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana : Tratra ihany Tsivery sy ny ekipany

Fanafihana mitam-piadiana : Tratra ihany Tsivery sy ny ekipany

Nampahalala ny vokatra azony ny polisim-pirenena teto Toamasina androany, ka isan’izany ny fahatrarana an’Ingahy Tsivery, 23 taona, lehiben’ireo mpamaky trano efa ela nokarohina. Sarona niaraka taminy koa Ingahy isany Ravola sy Ernest, mpitarika ekipana mpamaky trano, ary ity ramatoa antsoina hoe Joëlle 42 taona avy any Mahajanga milaza ny hiteraka teto Toamasina no mpivarotra ireo entana halatra azon’ireto tambajotra mpamaky trano ireto. Raha ny fanazavana nataon’ny kaomisera Rakotondrabako dia “orinasa” kely mihintsy ity tambajotran’ny mpamaky trano tarihan’Ingahy Tsivery ity, satria dia ekipa dimy mandeha andiany efatra na dimy ny ekipa iray no miara-miainga isan’andro manao ny famakiana tranon’olona, raha ao Depot Analakininina izy ireto no mipetraka dia ao amin’ny fokontany dimy ao Mangarivotra sy Lisea faharoa hatrany Tsarahonenana no tena hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny; efa manana ekipa hafa koa izy ireo mivarotra ny entana halatra, ka ity ramatoa tratra ity no mpitarika izany. Tamin’izao nahatrarana azy ireto izao dia fahitalavitra fisaka roa sy kojakoja elektronika maromaro no tratra tany amin’izay ireo izay teo am-pivarotana azy ilay ramatoa no tratra ambodiomby ny polisy. Mandritra ny famakiana trano ataon’ireto tambajotran’ingahy Tsivery ireto dia misy hatrany ny fandratrana ny tompon-trano, tahaka ny nahazo ity ramatoa iray tao Mangarivotra atsimo izao, voafiran’ny famaky efa niady tamin’ny fahafatesana iray teny amin’ny hopitaly be; sy ity tranga tao Tsarakofafa izay nidarohan’izy ireo ny raim-pianakaviana no nanolana’izy ireo ny zanany vavy sy ny vadiny nandritra ny vaky trano nataon’izy ireo. Am-polony ny fitoriana voaray teo anivon’ny polisy mikasika an’ingahy Tsivery sy ny ekipany, koa raha niakatra fitsarana ny alarobia hariva teo ny raharahan’izy efatra mianadahy ireto, ka samy miandry ny fitsarana azy am-ponja izy ireo izao.

m.l

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici