
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana narahana vaky trano teny amin’iny fokontany Mandrosoa, kaominina Ivato iny ny alahady lasa teo. Rehefa nandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny zandary dia voasambotra ny ankamaroany tamin’ireo tompon’antoka. Ny betsaka indrindra tamin’izany dia … vehivavy !
Basy kilalao sy zava-maranitra isan-karazany no nentin’ireo mpanafika nanao ny asa ratsiny tamin’io fotoana io. Na dia nataon’izy ireo renoky ny tory tamin’ny alalan’ny fonoka aza ny tompon-trano dia mbola nofohazina indray aloha, hamoaka ireo vola rehetra tao an-trano. Nanam-potoana mihitsy ireo olon-dratsy nanao izay danin’ny kibony naka izay zakany sy izay zavatra sarobidy tao amin’io tokatrano voatafika io. Araka izany, efa lasa efa elaela ireo mpanafika vao afaka niantso vonjy ireo lasibatra.
Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nisy ny fikarohana ireo nahavano-doza. Tsy niandry ela fa andro vitsy taorian’io no nahasamborana ny lehilahy iray, izay fantatra fa vao avy nigadra, isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana sy tompon’ireo fitaovam-piadiana sy basy kilalao. Ity farany izay fantatra fa iraka fotsiny fa ny tena atidoha dia vehivavy, andiam-behivavy raha ny marimarina kokoa, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Nisy sasany tamin’ireo taranak’i Eva ireto no mpanangona vaovao (niantrano tao amin’io tokatrano io mihitsy talohan’ny fanafihana), mpifanolo-bodirindrina, mpanakarama ilay tena hanafika, mpanome fonoka, sns. Nisesisesy araka izany fisamborana ary tafakatra dimy ireo voasambotra hatreto : efatra vehivavy ary iray lehilahy. Mbola misy ny anarana voatonona, hoy hatrany zandary saingy ireto aloha no tratra ary efa natolotra ny Fampanoavana. Eo an-dalam-pikarohana ireo namany hafa ireo mpitandro filaminana. Izy dimy mianadahy kosa, nadoboka avy hatrany ny Tsiafahy sy eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna.
m.L