Miroso hatrany ny famotorana ataon’ireto tompon’andraikitry ny filaminana mahakasika ilay fanafihana ny tobina relijiozy tao Ambendrana, Antsohihy ka nahafaty pretra iray, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Ambonin’ireo olona 13 nosamborina sy nanao fanadihadiana dia fantatra fa misy mpitandro filaminana iray am-perin’asa voarohirohy tao anatin’ity fanafihana iny. Efa nosamborina ity olona ity ary efa atao andrimaso any amin’ny biraon’ireo mpanao fanadihadiana. Fa ankoatra azy dia mbola misy mpitandro filaminana iray hafa, izay efa voaroaka tamin’ny asany ihany koa voatonotonona sy voarohirohy tao anatin’izany. Tsiahivina fa ny lakolosy tao amin’ity toby ity no nokasain’ireo olon-dratsy nangalarina tamin’io fotoana io. Saingy ny voan-dakolosy ihany anefa no lasan’ireo tsy valahara fa tsy azony ilay tena vatabeny, araka ny fampitam-baovao hatrany. Ankoatr’izay dia tsy nisy entana hafa lasan’izy ireo. Nisy ihany koa ny fifanjevoana teo amin’ireo notafihana, izay tsy nanaiky lembenana tamin’ny fanafihana nihatra taminy sy ireo olon-dratsy nanafika. Antony nahalavo ilay pretra tompon’andraikitra tao amin’ity toby ity sy namparatra ihany koa ny relijiozy iray. Izay ihany koa no antony nahatonga ny sasantsany tamin’ny entan’ireo olon-dratsy : ny kitapo feno bala, ny kilaotiny ary ny kapan’ireo olon-dratsy tavela tao. Taorin’ny zava-nitranga moa dia fantatra fa nidina avy hatrany tany an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana isan-tsokajiny avy. Tonga tany ihany koa ny Praiministra ny alatsinainy teo, ary nanome baiko ny amin’ny tsy maintsy hikarohana sy hisamborana ireo nahavanon-doza tamin’ity fanafihana nahafaty mpitondra fivavahana ity.
m.L