- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFanafihana nandratra polisy tao Amboasary : Tafaverina ireo omby 60 voaroba, mbola...

Fanafihana nandratra polisy tao Amboasary : Tafaverina ireo omby 60 voaroba, mbola tafatsoaka ireo dahalo

Araka ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena tamin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ny amin’ny tsy maintsy hikarohana ireo dahalo nanafika tao Tarandy, Amboasary Atsimo ka naharatrana polisy roa izay voatifitr’ireo dahalo, dia nanohy hatrany ny fikarohana ireo nahavanondoza ireo mpitandro ny filaminana. Nahitam-bokany izany ny talata hariva teo satria dia nifanehatra tamin’ireo jiolahy tao amin’ny fokontany antsoavelo, kaominina Tanandava Sud izy ireo io andro io. Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta vaky nandositra ireo olon-dratsy ary namela ireo omby nentiny. Voavotra avokoa, arak’izany ireo omby 60 norobain’izy ireo. Satria efa alina dia nananosarotra ny nanarahana ny dian’ireo mpanafika ka tsy fantatra na nisy naratra na tsy nisy tamin’izy ireo hatreto. Mitohy hatrany ny fikarohana.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici