- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Ambohidrapeto : Lasibatra ny mpivarokena, vola efatra hetsy lasa

Fanafihana tao Ambohidrapeto : Lasibatra ny mpivarokena, vola efatra hetsy lasa

Nitsoaka namonjy ny ainy ilay mpivarokena. Namela ny tsenany teo, nanjakan’ireo jiolahy. Zava-nitranga tetsy Avaratsena Ambohidrapeto ny harivan’ny alakamisy lasa teo.

Nirefodrefotra ny basy teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny. Raiki-tahotra ireo mponina; izay samy mbola variana tamin’ny asa fanaony andavanandro. Mpivarokena iray teo Avaratsena no fantatra fa voatafika. Efa-dahy izy ireo nitondra basy poleta. Araka ny fanazavana azo, dia tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any no nisehoan’ity fanafihana ity. Ao anatin’ny ora izay mbola mampisomebiseby ny tsirairay mihitsy. Mbola maro ireo mpivarotra no nisokatra tamin’io fotoana io saingy tsy fantatra na noho ny antony ahoana, fa ilay mpivarokena teo anelanelan’ireo fivarotana hafa manodidina no nosafidian’ireto andian-jiolahy ireo notafihana. Vantany vao tonga mantsy izy ireo, dia nanapoaka basy in-droa. Taitra tamin’ny feom-basy ny fokonolona ka samy nanao tsoa-pe namonjy ny ainy avokoa. Mba torak’izany ihany koa ingahy mpivarokena, nanararaotra ny fisoamaritahan’ny olona ka tsy hitan’ireo olon-dratsy akory ny fandosirany. Vao mainka aza moa nety tamin’ireto farany izany ka dia nanararaotra tokoa ry zalahy, nisava ny vatasarihana fitoeram-bola sy izay toerana rehetra mety no nisy vola nisisika. Mitentina eo amin’ny efatra hetsy ariary teo ho eo ny totalin’ny lasan’izy ireo araka ny fanazavana azo. Rehefa afa-po tamin’ny fisavana moa ireto mpanafika, dia nivoaka nilamina saingy ny basy teny an-tànany ihany no nentina nampitahorana ireo mponina. Nihazo ny lalan’Andranonahoatra iny izy ireo nony avy eo. Taorian’ny fanafihana moa ny nampandrenesany ny zandary ary tonga haingana teny an-toerana. Napetraka ihany koa ny sakana rehetra ny amin’izay lalana rehetra mety handalovan’ireto olon-dratsy, saingy mbola tafaporitsaka ihany ireto farany, eny fa na dia natao savahao ihany koa aza ny manodidina. Marihana moa, fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tao anatin’izany fanafihana izany. Mitohy kosa ny fikarohana ireo mpanafika ataon’ireo zandary tompom-paritra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici