- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Amparitsiritra : Tafaverina ireo omby 17, mbola tsy azo ireo...

Fanafihana tao Amparitsiritra : Tafaverina ireo omby 17, mbola tsy azo ireo dahalo.

Araka ny baiko nomen’ny lehiben’ny ZDRPS Betsiboka ny miaramila ny amin’ny tsy maintsy hikarohana ireo dahalo nanafika tao Amparitsiritra, kaominina Keliloha, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, izay nangalaran’ny dahalo omby miisa 20, dia nanohy hatrany ny fikarohana ireo jiolahy ireo mpitandro ny filaminana. Nahitam-bokany izany ny herinandro lasa teo, satria dia nifankatratra tao amin’ny fokontany  » Croisement-Tsaratanàna » izy ireo io andro io. Rehefa nahatazana ny mpitandro ny filaminana tonga dia vaky nandositra ireo olon-dratsy ary namela ireo omby nentiny. Avotra, ark’izany ireo omby 17 norobain’izy ireo, raha maty novonoin’ny jiolahy teny an-dalana kosa ny omby telo. Satria efa alina dia nanano sarotra ny nanarahana ny dian’ireo mpanafika ka tsy fantatra hatreto ny nalehan’izy ireo. Voalaza ihany koa, araka ny fampitam-baovao, fa ireo omby nalain’ny malaso ireo hono dia an’Atoa Benaoda lehiben’ny dinam-pokonolona eto Betsiboka. Marihina fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy nandritra ny fanafihana niseho tao Amparitsiritra. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ireo dahalo ireo.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici