- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Anjahamana sy Ampasamadinika : Andian-jiolahy avy any Ambatondrazaka ireo jiolahy...

Fanafihana tao Anjahamana sy Ampasamadinika : Andian-jiolahy avy any Ambatondrazaka ireo jiolahy enina tratran’ny zandary

Samy manana ny ambarany mikasika ilay raharaha fanafihana nitranga tao Ampasimadinika ny zandary sy ny polisy. Ho an’ny FIP sy ny UIR, araka ny baiko azon’izy ireo tamin’ny tale provinsialin’ny filaminam-bahoaka Toamasina amin’ny fisian’ny fanafihana ataona andian-jiolahy am-polony tao Ampasamadinika izay naharatrana olona fito, izay samy mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be hatramin’izao, izy ireo dia tonga namonjy ireto vahoaka tao Ampasamadinika. Nandritra izany no nahatraran’izy ireo olona 03 ka ny roa jiolahy, raha ny fanazavana, ny iray kosa mpiasan’ny tetikasa iray miasa ao Toamasina II, iny voalaza fa mpanoro lalana ireto andian-jiolahy ireto. Ho an’ny zandary kosa dia ireto voasambotra izy ireo, miisa enina mianadahy, ireto ilay tena nanao ny fanafihana tao Ampasamadinika, izay nanao ny fanafihana ny volan’ny kaoperativan’ny tantsaha tao Anjahamana Brickaville ihany koa raha ny fanazavana. Avy any Ambatondrazaka ireto andian-jiolahy ireto, hoy zandary, ka ny efatra lahy, roa kosa ny vehivavy izay mpanatitra sakafo azy ireo ary anabavin’ny iray amin’ireo jiolahy ny vehivavy iray tratra ireto. Ny fanazavan’ny zandary no nahalalana fa nifanenjehan’ny zandary hatrany amin’ny lakandranon’i Pangalana ireto jiolahy ireto, ka ny roa tratra ny alarobia tolakandro; izay ny fahatrarana azy ireto no nanamora ny fanarahana ireo namany, satria tratra tao anatin’ny findain’izy ireo avokoa ny sary sy ny fifandraisana ary ny antso nifanaovan’izy ireo izay tafasara-dalana. Ny zoma maraina be tokony tamin’ny 03 ora maraina kosa no sarona ny roa hafa, tsy iza fa i Benjakely, ka ny iray tamin’izany dia zanatany mpanoro lalana azy ireo. Mbola ifampitadiavana kosa Ingahy Josepha voalaza fa atidoha mpibaiko izao andian-jiolahy avy any Ambatondrazaka izao. Any amin’ity Josepha ity avokoa ireo fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana fanaon’izy ireto. Ankoatra izay dia hanomboka tsy ho ela ny “opération lalam-pasika”, an’ny zandary, taorian’ny “opération mandio”. Hetsika tsy an-kitsitsy ity “operation” hataon’ny zandary tsy ho ela eto Toamasiana ity, satria tena hampiasa ny fitaovana eny am-pelantanany izy ireo ho an’ireo andian-jiolahy mahery vaika sy mampahory vahoaka ho filaminana ho an’ny rehetra eto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici