- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana taxi-brousse tao Camp Robin : Olona telo voasambotra, natolotra ny...

Fanafihana taxi-brousse tao Camp Robin : Olona telo voasambotra, natolotra ny Fitsaràna

Taorian’ilay trangana fanafihana taxi-brousse, niseho tao Camp Robin, distrika Ambohimahasoa, ny herinandro lasa teo, dia tsy niandry ela ireo zandary misahana iny faritra iny fa niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana. Olona roa no fantatra avy hatrany fa nosamborina teny amin’ny faritra manodidina. Nitohy ihany ny fanadihadiana ka nisy olona iray hafa ihany koa voasambotr’ireo zandary. Marihana, araka ny fanazavàna azo, fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity ireto olona voasambotra ireto. Nampiakarina avy hatrany tao Fianarantsoa ireto olon-dratsy ireto ary natolotra ny Fampanoavana omaly. Tsiahivina fa nandamoka tanteraka ny tetik’ireto olon-dratsy mpanakan-dalana ireto tamin’ity fanafihana indray mitoraka ity, noho ny fepetra manokana noraisin’ny teo anivon’ny zandary ho fiarovana ireo mpitatitra sy ny mpandeha amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany mantsy ireo zandary nanara-dia ireo taxi-brousse, nifanandrina tamin’ireo olon-dratsy. Na izany aza anefa, nisy ihany ny naratra tamin’ireo mpandeha, izay tsy noho ilay fanafihana fa noho ny fivadihan’ilay taxi-brousse saika voatafika tamin’io fotoana io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici