- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana taxi-brousse : Voasazy izay tsy mampiasa "manifold"

Fanafihana taxi-brousse : Voasazy izay tsy mampiasa « manifold »

Miteraka sakana eo amin’ny fanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana ankehitriny ny tsy fisian’ny fitànana an-tsoratra ireo mpandeha amin’ny kaoperativam-pitaterana sasany. Ny ankamaroan’ny fanafihana taxi-brousse izay nitranga tato ho ato anefa dia ny mpandeha ao anatiny ihany no misy jiolahy. Izany hoe miova kely amin’ny fisehoan’ny fanafihana taloha izay miendrika fanakanan-dàlana. Vitsy ny taxi-brousse izay nanaraka ny fepetra napetraka dia ny fandeaiketana an-tsoratra ny anaran’ny mpandeha manontolo. Manomboka hita ny voka-dratsin’izany ankehitriny manoloana ny firongatry ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena izay ireo fiara fitaterana no lasibatra. Isan’ny tranga akaiky indrindra izay nahitàna ny lesoka ny taxi-brousse iray izay voatafika teo Antsohihy. Tsy nisy anaran’ny mpandeha iray aza voaraikitra toa anatin’ny boky fandraisana ny mombamomba ny olona ao anatin’ny fiara. Rehefa nandeha ny fanafihana ka fantatra fa tamin’ireo ihany ny mpandeha no nanafika, tsy afaka nandroso lavitra ny fanadihadiana noho ny tsy fahafenoan’ny bokin’ny mpandeha. Nanao fampatsiahivina avy hatrany ny tompon’andraikim-panjakana misahana ny fitaterana an-tanety fa hentitra ny sazy ho an’ireo izay tsy mameno ny manifold, na izany ho an’ny kaoperativa na koa ho an’ny mpamily.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici