Telo nadoboka eny Tsiafahy, ny iray kosa eny Antanimora ary ny iray nahazo fahafahana vonjimaika. Tsy niandry ela tokoa fa andro vitsy monja taorian’ilay fanafihana nitranga tetsy Ankadikely ka nahafaty teratany vahiny iray, tompon’ orinasa teny an-toerana, dia nisy avy hatrany ny vokatra azon’ny teo anivon’ny zandary ; izay miandraikitra ity raharaha ity. Fantatra ary, fa nisy dimy tamin’ireo nandray anjara nivantana sy mpiray tendro tamin’ireto farany no voasambotra. « Voaantso ary tonga ara-potoana teny an-toerana ireo zandary nanao fisafoana tamin’ny alina, saingy na teo aza ny fikarohana dia tsy nisy tratra ireo jiolahy. Andro vitsivitsy taorian’ny tranga dia voasambotra ny lehilahy iray sy ny vadiny izay efa nandositra tany Behenjy Ambatolampy ka ireo no nanoro ny namany hafa sy nitantara ny fomba nanafihany ka nahafaty ilay teratany vahiny », hoy ny vaovao. Taorian’izay dia vehivavy iray hafa no voasambotra ; izay voalaza ho nanafina ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Nisy roa hafa kosa tamin’ireo olon-dratsy no tra-tehaka rehefa nofandrihana tamin’ny finday. Omaly moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary ireo nadoboka am-ponja ireo ny sasany. Araka ny fanazavana azo, dia mbola misy olona dimy hafa karohana fatratra amin’izao fotoana izao.
m.L