- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanafody nisy nanodina : Mbola tsy hita niaraka amin’ny saofera

Fanafody nisy nanodina : Mbola tsy hita niaraka amin’ny saofera

Nanjavona ny fanafody, torak’izany ihany ny saofera sy ny kamiao nentiny. Niainga tany  Toliara io fanafody iray kaontenera io ary hatramin’izao dia tsy hita izay nanjavonany, sivy  andro taty aoriana. Nanazava ny zandary etsy Fiadanana fa na nisy aza ny fisavàna nataon’ireo tetsy Ambohipo, na nisy ihany koa aza ny fakàna ireo fanafody marobe izay tsy  ara-dalàna, dia voaporofon’ny fanadihadian’izy ireo fa tsy tao anatin’ireo entana very aloha  ireo. Fanafody 21 gony izay tsy misy taratasy ara-dalàna no nataon’ny zandary “saisie” ary notazomina nanokafana fanadihadiana ihany koa ny tompon’ny toerana nahitàna an’izany. Olona roa izy ireo raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Mahakasika ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna mitranga etsy Ambohipo sy ny manodidina kosa indray dia nanazava ny mpitandro ny filaminana fa mbola tsy nisy aloha ny fitarainana mahakasika an’izany, dikany dia tsy mbola misy ny fepetra noraisina. Amin’ny lafiny iray izany dia tazanim-potsiny aloha ny varotra tsy ara-dalàna mitranga. Ny tena olana dia tsy fantatra mazava izay niavian’ny fanafody amidy eny an-toerana kanefa resaka fahasalamana no voakasika…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici