- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanakanan-dalana amin’ny RN4 : Dahalo mitam-basy 7 voasambotra

Fanakanan-dalana amin’ny RN4 : Dahalo mitam-basy 7 voasambotra

Dahalo mitam-piadiana  fito izay mpanafika fiara ikoizana amin’ny RN4 no voasambotry ny Zandary, afak’omaly, ary sarona niaraka tamin’ireto mpanakan-dalana ireto ihany koa ny basy miisa telo (basy vita gasy roa, poleta iray) sy fitaovam-piadiana hafa toy ny famaky sy lefona ary antsy maranitra nampiasain’ireo malaso nandritra ny asa ratsy nataon’izy ireo, ny alin’ny 5 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora, tao Besely( PK 36), any amin’ny Kaominina Ambalakida, Distrikan’i Mahajanga II. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanàna ny raharaha, dia fiara 4×4 iray no lasibatry ny fanakan-dalana nataona 12 lahy ny andron’ io, ary nirefodrefotra ny basy. Aorian’ny famotorana, dia  hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ireto andian-dahalo tanora voarohirohy, raha mbola karohina fatratra atao hazalambo kosa hatramin’izao ny jiolahy dimy tafaporitsaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici