- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanakanan-dàlana : Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary, 11 azo sambo-belona

Fanakanan-dàlana : Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary, 11 azo sambo-belona

Tamin’iny lalam-pirenena mampitohy amin’ny faritra Alaotra iny, sivy ireo tra-tehaka. Tamin’ny lalam-pirenana fahenina kosa, telo ireo olon-dratsy no voapaingotra tamin’izany. Tao anatin’ireto olon-dratsy mpanakan-dàlana ireto kosa dia nisy iray maty voatifitra rehefa niezaka nitsoaka, teo am-pelatanan’ireo zandary nahatratra azy, ny faran’ny herinandro teo.

Tao amin’ny distrik’Andilamena, izay nampikaikaika ireo mpanao taxi-môtô dia fantatra fa saron’ny zandary tao amin’ny kaominina Vohimena sy Amboavory, ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’izany. Sivy lahy izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo no tra-tehaka taorian’ny fikarohana nataon’ny teo anivon’ny zandary tany an-toerana, ary samy noraisim-potsiny tao amin’ireo kaominina roa voalaza ireo. Nandritra ny fisamborana anefa, ary tamin’ny fotoana nitondrana azy ireo hiakatra an’Andilamena dia nanapa-kevitra ny hitsoaka ny sasantsany tamin’izy ireo, nanararaotra ny fotoana nahaseriny ireo mpiambina azy. Raikitra teo indray ny fanenjehana ary voasambotra ihany no niafaràny. Nisy iray tsy nety nijanona mihitsy anefa, na dia teo aza ny tifi-danitra sy fampitandremana nataon’ireo mpitandro filaminana ka voatery nandray fepetra ny hitifitra ireo zandary. Voan’ny bala ity farany ary namoy ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Ireo sisa namany moa dia nentina natao famotorana ary raha tsy nisy ny fiovàna dia efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

Fa tamin’iny lalam-pirenana fahenina, izay nisehoana fanakanan-dàlana nisesisesy tato ho ato izay dia nisy ihany koa ny fikarohana nataon’ireo zandary ka telolahy, izay fantatra fa mpandroba ireo fiara amin’izany lalana izany no voasambotra, tao Analalava, ny talata lasa teo. Taxi-brousse avy aty an-drenivohitra, hihazo an’Ambanja no norobain’izy ireo tamin’izany. Tsy nahatanteraka ny fikasan-dratsiny anefa ry zalahy noho ny fampandrenesana haingana nataon’ireo fokonolona nahita. Tafaporitsaka ihany moa izy ireo tamin’io fotoana io. Nanomboka teo ny fikarohana nataon’ireo mpitandro filaminana ary izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo izao.

Manoloana ny antsoavo ataon’ireo mpampiasa lalana fa indrindra fa ireo mpindrana ireo lalam-pirenena eto amintsika, ny amin’ny fiverenan’ireo mpanakan-dalana indray dia nandray ny andraikitra ary tsy nikely soroka tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo mpitandro filaminana, ary dia izao nahitam-bokany izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici