- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanakanan-dalana tao Andranofasika RN4 : Lavon’ny zandary ny telolahy tamin’ireo olon-dratsy

Fanakanan-dalana tao Andranofasika RN4 : Lavon’ny zandary ny telolahy tamin’ireo olon-dratsy

Talohan’ny fetin’ny krimasy lasa teo no nitrangan’ny fanakan-dalana, nahalasibatra taxi-brousse sy nahavoaroba ireo mpandeha rehetra tao anatiny, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, teo Andranofasika. Herinandro vitsivitsy taty aoriana, fantatra ny sasany tamin’ireo tompon’antoka ary nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana tao anaty fifandonana ka maty voatifitra !

Araka ny fampitam-baovao azo, ankoatra io tranga fanakanan-dalana teo Andranofasika io dia mbola teo am-pikasana hanomana « opération » hafa ry zalahy ireto no nifanena tamin’ireo zandary mpanao fiambenana sy fisafoana tany an-toerana. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Analakida, ao amin’ny fokontany Mahatazantsoa, kaominina Andranofasika, faritra Boeny, no nifanehatra ny roa tonta, ny andron’ny sabotsy teo, ary raikitra ny fifandonana. Iretsy olon-dratsy, raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana dia nanangana ady avy hatrany, ary nampiasa fitaovam-piadiana. Voatery namaly ihany koa tetsy andanin’izay ireo mpanao fisafoana. Vokany, telo tamin’ireto mpanakan-dalana ireto no fantatra fa maty voatifitra tao anatin’izany. Tafaporitsaka kosa ireo namany. Araka ny tatitra hatrany dia mbola nahitana entana samihafa teny amin’izy ireo, ka rehefa nohamarinina dia entan’olona avy nangalarin’izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana isan-karazany, tamin’ny alalan’ireo zavatra hita teny amin’ireto olon-dratsy lavo voatifitra ireto moa no nahafantarana fa izy ireo no anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanakan-dalana tamin’ny RN4. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanànan’i Befotoana, ao amin’ny kaominina Marosakoa, ihany koa izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.  « Mitohy ny asa, tsy milavo lefona ny zandary mba ho fampandriana fahalemana ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina. Ampirisihina hatrany ny fanomezan-tanana avy amin’ny fokonolona eny ifotony amin’ ny fiambenana sy avy amin’ny mpampiasa lalana amin’ny fanarahana lamina », hoy ny fanentanana avy amin’ny zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici