Nitrangana trangana fanakanan-dalana indray tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny alin’ny zoma lasa teo. Voatora-bato ny fiara ka vaky ny fitaratra tamin’izany ary naratr’ireo olon-dratsy ny mpamily. Soa anefa fa nandray andraikitra ny zandary mpiaro tao anaty fiara ka nisy iray tamin’ireo jiolahy no maty voatifitra ka tsy tanteraka ny fikasan-dratsin’ireo mpanafika.
Tokony ho tamin’ny folo ora alina teo no nitrangan’izany teo amin’ny PK334+800, toerana antsoina hoe Antaretra, fokontany Sahamadio, kaominina Vohiposa. Fiara mpitatitra avy any Toliara hamonjy ny renivohitra ity lasibatry ny mpanakan-dalana ity. Raha ny vaovao azo, dia am-polony tany ho any ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana. Tora-bato variraraka niaraka tamin’ny tifitra no nitsenan’izy ireo ilay fiara. Nisy sasany avy hatrany dia nanatona ary namira famaky ilay mpamily. Ny tsy tsapan’ireo mpanafika anefa, dia nisy zandary avy ao amin’ny Fign tao anatin’ilay fiara izay efa paik’ady napetraka entina hiarovana ireo mpandeha sy ny fiara amin’ny tranga toy io. Namaly tifitra avy hatrany ity farany ka nahavoa jiolahy iray, izay tsy afa-manao asa ratsiny intsony. Vaky nandositra kosa iretsy namany nahita izany. Nisy mihitsy aza moa azo sambo-belona tamin’izy ireo. Efa mandeha moa amin’izao ny hazalambo hikarohana ireo olon-dratsy.
m.L