- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanakandan-dalana eto andrenivohitra : Lasibatra indray ireo mpitondra môtô

Fanakandan-dalana eto andrenivohitra : Lasibatra indray ireo mpitondra môtô

Ny harivan’ny alatsinainy teo, mpivady nitaingina môtô no niharan’ny asan-jiolahy teny amin’iny faritra Ampasika iny. Efa-dahy izy ireo, araka ny fanazavàna azo, ary nitondra zava-maranitra. Tamin’io fotoana io dia nosakanan’ireto olon-dratsy izy mivady, ary nambanany tamin’ny antsy. Misy namany hafa kosa, avy hatrany dia mibeda ireo mpitangaina ary nanadaboka izany tamin’ny tany. Ireo hafa indray mibata ilay môtô ary lasa nandositra, rehefa naka ihany koa izay entana sarobidy teny amin’ireto mpivady ireto. Tamin’io fotoana io anefa, soa ihany fa nisy pôlisin’ny boriborintany fahafito nanao fisafoana teny an-toerana ka raikitra teo ny fifanenjehana. Nampian’ireo pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika izany. Ny iray tamin’izy efa-dahy no voasambotra, tafaporitsaka kosa ireo telolahy namany. Tany amin’ity farany dia mbola nahitàna sabatra nihosin-drà. Fa ankoatr’izay, lehilahy hafa nitaingina môtô, avy eny Antanimena ho any Talatamaty no niharan’ny fanafihana sy fangalarana môtô ihany koa, ny alatsinainy alina hatrany. Mbola efa-dahy ihany izy ireo, araka ny angom-baovao, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia nitondra môtô ihany koa. Nanao taingin-droa avy ireto jiolahy, nanenjika an’ilay ranamana. Nisy fahasamponana tampoka anefa fa sendra maty ilay môtô nentin’ilay tovolahy handeha hody ka voatery nijanona. Teo no nanararaotan’ireto efa-dahy nanaovana ny asa ratsiny. Nobedaina ary nadaboka tamin’ny tany sy novonoina ilay mpitondra môtô, ary lasan’izy ireo ilay kodiaran-droa sy ny zavatra rehetra tany amin’ity farany. Olona sendra nandalo no nahita azy ka nitondra azy haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici