Niakatra fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Morondava, afak’omaly, ny momba ny raharaha fanakorontanana nitranga ny 27 sy 28 septambra lasa teo, ka olona miisa 17 no nampidirina am-ponja vonjy maika. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao voaray, dia fandrobana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no heloka hanenjehana azy ireo. Efa milamina ny ao Morondava amin’izao, ary efa foana avokoa ireo fepetra noraisina rehetra, toy ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina (couvre-feu) sy ny fanarahan’ireo mpitandro ny filaminana ireo fiara mpitatitra ao an-toerana. Raha tsiahivina dia ady ranon’i Dabarà sy tsy fankatoavana didim-pitsarana iray no nahatezitra ny mponina, ka nahatonga fikomiana nahapotehan-javatra maro sy namoizana ain’olona iray.
Eric Manitrisa