- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanalana mpivarotra tao Ankirihiry : Raikitra ny sakoroka, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

Fanalana mpivarotra tao Ankirihiry : Raikitra ny sakoroka, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

Ny talata teo no nandefa taratasy teny anivon’ny filoham-pokontanin’Ankirihiry P/elle 11/31 ny kaominina, tamin’ny alàlan’ny ben’ny Tanana; milaza ny tsy maintsy hialan’ireo mpivarotra ao amin’ny bazary may sy ny bazary tranon-jiro ary ireo manamorona ny làlana Bd Ralaimongo rehetra. Efa nampandre izao fikasan’ny ben’ny Tanana hanala mpivarotra izao tamin’ireo mpivarotra tamin’ireo tsena ireo ny filoham-pokontany, ka ny alarobia alina, satria ny alakamisy maraina tamin’ny 5ora ny fotoana nifanomezana tsy maintsy hialan’izy ireo, dia nisy ny fiaretan-tory nataon’ireo mpivarotra tao amin’ireto tsena roa ireto. Ny alakamisy 26 jolay vao maraim-be  tokoa dia efa vonona ny ekipan’ny kaominina sy ny Emmo-Sécutité ary ny sampana mpamonjy voina ny kaominina; teo anefa dia niezaka niaro ny tsenany ireto mpivarotra koa taorian’ny fifampiresahana teo amin’ireto mpivarotra sy ireto ekipa nentin’ny kaominina ; izay lasa resaky ny moana sy ny marenina.Raikitra ny sakoroka tamin’ny alalan’ny tora-bato nataon’ireo mpivarotra an’arivony. Niezaka ny nandamina ny raharaha ihany anefa ny filohan’ny sendikan’ny mpivarotra mitambatra eto Toamasina, Atoa Ratsimbazafy Jean Prospere, saingy tsy nahasakana ireto mpivarotra efa tezitra sy efa sorena amin’ny ataon’ny ben’ny Tanana sy ny ekipan’ny kaominina izy ireo. Vokany : voatery nampiasa ny lakrimozena teny aminy ireo mpitandro ny filaminana, ka lakrimozena am-polony no nipoaka nandritra izany nanapariahana ireto mpivarotra. Vao mainka anefa nahatezitra ireto mpivarotra an’arivony izany ka nitanjozotra nahazo an’Ankirihiry sy Tanambao V  izy ireo nitady ny ben’ny Tanana tao amin’ny lapan’ny tananan’i Toamasina hangata-panazavana; saingy ny talen’ny tsena eo anivon’ny kaominina no hitan’izy ireo tao ka nisy ny fihaonana teo aminy sy ireo ekipan’ny sendikan’ny bazary mitambatra eto Toamasina, nitadiavana vahaolana amin’izao raharaha izao. Nisy noho izany ny fepetra noraisin’ny ben’ny Tanana hifandamina ka ny depiote Ndahimananjara Johannita no mpanelanelana ny roa tonta, miady amin’izao raharaha izao nandritra izany. Ankoatra izany, na teo aza ireo andian’olona nikasa ny hanararaotra izao  sakoroka nisy teto Toamasina izao, dia niezaka ny nifehy azy ireny ny mpitandro ny filaminana; ireo mpivarotra ihany efa mailo teto Toamasina dia saika nanakatona ny fivarotany avokoa ny ankamaroan’izy ireo tahaka ny nisy tamin’ny làlana Ankirihiry, Tanambao V, Bazary kely, ary ny tao Bazary be. Tsy nisy aloha ny voasambotra nanditra izao sakoroka izao na niteraka faharatrana tamina zandary iray aza ny zava-nisy tao amin’ny bazary may sy tranon-jiro Ankirihiry ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici