Indraindray dia tena mahomby ny tambajotra sosialy, indrindra rehefa misy ny porofo mivaingana. Nisy olona izay sahy naka sary an-tsokosoko tao anatin’ny sampan-draharahan’ny polisy izay misahana ny fanamboarana pasipaoro ary naparitany tamin’ny tambajotra sosialy ny tsy mety rehetra izay niainany nandritry ny fijanony adim-pamataranandro maro tao amin’io birao tao Anosy io. Etsy andanin’izany koa dia marobe ary tsy an-kijanona ny fitarainan’ny olona izay napetraka tamin’ny polisy noho ny fanjakan’ny kolikoly sy ny tsy fahaizan’asa eo anivon’ilay sampana. Izany rehetra izany no nifangaro no nahatonga ny tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ny minisitera misahana ny filaminam-bahoaka nanao fitsidihana tampoka. Ny birao izay voalaza rahateo dia tsy lavitra ny misy ny fiasany ary rariny loatra raha tokony ho hitan’ny masony sy ren’ny sofiny ny tsy mety. Nisy tokoa ny vokatra taorian’izany fijerena ifotony izany. Omaly ary, taorian’izay fijerena ny zava-nisy izay dia nisy avy hatrany ny fepetra noraisina dia ny fanalàna tamin’ny asa ny polisy miisa telo teo anivon’ny sampan-draharaha. Ny kolikoly no nanenjehana azy ireo ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana voakasik’izay. Manodidina ny 400 isan’andro ny isan’ny olona izay tonga ao an-toerana mba hanamboatra pasipaoro, raha araka ny tarehimarika nomen’ny minisitry ny filaminam-bahoaka. Izany no mahatonga ny kolikoly ho mahazo vahana ary koa mahatonga ny asan’ireo polisy sasany ho mivaona amin’ny tokony hoizy. Nilaza ny minisitra fa hisy ny lamina vaovao izay hapetraka mba hiverenan’ny fahatokisan’ny olona ny polisy ary koa hanamorana ny fanamboarana ny pasipaoro. Tena niteraka laza ratsy tokoa mantsy ity sampan-draharaha iray ity, satria dia misy ireo izay tsy milahatra akory fa manao antso an-tariby fotsiny avy hatrany dia miditra ao amin’ny efitrano fakan-tsary sy fangalàna peta-tondro. Apetraka maraina ny dosie dia mivoaka ny hariva ny pasipaoro. Misy kosa ireo izay raha mba manontany dia endrika fanambaniàna ny valiny ary toa hatao mihitsy izay tsy mahatamàna ny mpanjifa izay efa tsy fidiny anefa ny miaritra ny filaharana sy ny fiandrasàna lavareny. Isan’ny asam-bahoaka ao anaty lisitra maintin’ny mpanjifa ny fanaovana pasipaoro ankoatry ny fanaovana taratasin-tany ary koa ny fitateram-bahoaka. Efa nampanantena ny hanatsara ny asany ny polisy ary handrasana kosa ny an’ireo sehatra hafa…
D.R