- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFanamboarana « plaque châssis » : « Ny Foibe fitsaràna fiarakodia irery...

Fanamboarana « plaque châssis » : « Ny Foibe fitsaràna fiarakodia irery ihany no afaka manao izany »

Iaraha-malala fa efa fiarakodia nahazo taona avokoa no be mpampiasa eto amintsika. Mila fanamboarana ihany koa ny ankabeazany, indrindra fa ny « carrosserie » izay mihalo. Ny mahagaga anefa dia isan’ny zavatra tsinontsinoavin’ny rehetra, na ny tompon’ny fiara, na ny mpanamboatra, ilay vy kely famantarana ilay fiara iny, na ny « plaque châssis », rehefa manamboatra izy ireo. « Tsy maninona iny fa mankeny amin-dry zalahy mpanao « alu » dia vita » raha ny eritreritry ny rehetra. Diso tanteraka anefa izany. Tsy ny antontan-taratasin’ny fiara ihany no tena manan-danja fa iny takela-by misy famantarana iny. Miainga amin’iny avokoa mantsy ny soratra voarakitra anaty antontan-taratasy ka raha iny no very na miova dia tsy misy dikany intsony ny antontan-taratasy rehetra.

Izany no antony nahatonga ny lalàna nilaza fa Sampandraharaham-panjakana iray, irery ihany no afaka manamboatra azy iny, dia ny Foibe Fitsaràna fiarakodia (Dgsr) fa tsy etsy « amin-dry zalahy mpanao alu » akory na dia manana fitomboka famantarana azy aza ry zareo. Amin’izay lafiny izay indrindra, dia naseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny ivontoerana fitsaràna fiara tetsy Alasora By-Pass ny milina « duplicateur plaque châssis ».  « Raitra dia raitra tokoa ity milina ity ary manaraka ny teknolojia maoderina, ka hitondrana zava-baovao amintsika tompona fiara », hoy ny fanazavàn’ny tompon’andraikitra. Araka izany, raha misy fahaverezana na fanavaozana na fahasimban’io takela-by io dia efa vonona amin’ny fanoloana azy ireo ny Foibe fitsaràna fiara.  « Misy ny vola aloa mandritra izany izay mitentina Ariary 46800 miampy ny vidin’ilay « Plaque châssis » vaovao ». Marihana, raha ny fanazavàna azo hatrany  fa hovatsiana an’ity milina ity avokoa ireo ivon-toerana fitsaràna fiara rehetra misy eto amintsika.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici