
Tany iray, izay efa misy trano miorina no ezahin’ity olona iray bodoina tsotr’izao amin’ireo olona mipetraka ao, teny Antanambao, kaominina Ambohitrabiby. Nolazainy mantsy fa efa nisy fifampivarotana teo aminy sy ireo tompon’ny tany, ary izay fifanarahana izay no entina hangalàna ankitsirano ilay tany. Nanambara mazava anefa ny tompon’ny tany fa tsy mitombina velively ilay taratasy satria tsy soniany akory no hita tao. “Tsy marina velively ny filazàna fa nanao sonia fifampivarotana aho. Ary porofon’izany, tsy soniako velively, mitovy ny ao amin’ny karam-panondroko no mipetraka ao fa hafa” araka ny filazan-dRtoa Razafindrahasy Emiline, tompon’ny tany. Voalaza fa efa noporofoina sy voamarina tamin’ny alalan’ny “expertise” moa izany zavatra izany.
Nisy araka izany ny fitoriana napetrak’ity ramatoa ity sy ny taranany teny anivon’ny fitsaràna. Efa ho telo taona tany ho any no nipetraka izany saingy tamin’ity taona ity vao nandeha ny fitsaràna. “Ny mahagaga, hoy ireto olona lasibatra ireto dia tsy mba nampahalalana ny datin’ny fitsaràna akory na nampanantsoina izahay mpitory, hany ka nomen’ny fitsaràna fahafahana ilay olon-dratsy na dia eo aza ny porofo nitohaka tamin’ny tenda fa fampiasàna hosoka, entina hangalàna ny taninay ny zava-niseho”. Raha ny fanazavana azo dia tsy resaka ady tany akory no nentin’ireto olona ireto nitoriana io olona io, satria mazava be fa azy ireo ilay tany, ary lovany rahateo fa tena ady heloka mihitsy. Hosoka sy fampiasàna hosoka, izay henjehin’ny lalàna araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana eto amintsika. Manahy mafy araka izany ireto olona lasibatra ireto fa nisy zavatra tsy mazava tao ary mety ho kolikoly avo lenta mihitsy hoy izy ireo. Eo anatrehan’ny zava-misy araka izany dia tsy hanaiky mora foana ny didy nivoaka izy ireo fa hampiakatra ny raharaha amin’ny sehatra ambonimbony kokoa. Na izany aza, miantso ny ambaratongam-pahefana mahefa rehetra izy ireo, mba hijery akaiky izao zavatra izao. “Mampalaelo ny zava-misy satria dia fanakorontana sy tsindry hazo lena mihitsy ny mahazo anay, ataon’ny olona mpanam-bola. Koa miangavy ny Fanjakana mba hanampy anay” hoy ny fitarainan’ny zanak’ity ramatoa ity.
m.L