- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanaovana vola sandoka : Arovan’ny depiote iray ireo jiolahy

Fanaovana vola sandoka : Arovan’ny depiote iray ireo jiolahy

sandokaIsan’ny fomba entin’ireo jiolahy ao Toamasina indray tato ho ato ny fisolokiana olona sy fanaovana vola sandoka hamitahana olona. Raha nahatratra mpanao vola sandoka sy mpisoloky ny polisy tao Soanierana Ivongo, toraka izany koa ny polisy tao Toamasina renivohitra, koa nahatratra ireo mpanao izany koa ny kaompania, sy ny brigadin’ny zandary tao Toamasina, izay nisy nifandraisany tamin’ilay raharaha teo anivon’ny polisy farany teo ary tambajotra iray ihany koa.

Raha naharay ny fitorian-dRtoa R. Priscat ny zandary Toamasina, ny kapiteny Randriamanantena Leon, komandin’ny kaompania sy zandary prinsipaly Randriarinosy Anaclet komandan’ny borigadin’ny zandary, ny 23 oktobra teo dia nanokatra fanadiadiana lalina mikasika ny raharaha. Sarona tamin’izany Ingahy Martial M. ny 1 novambra teo izay manana trano roa samy hafa, koa raha nosavaina ny tranon’ireo dia nahitana vola sandoka 100.000 ariary sy ireo fitaovana fanaovana ny vola ary ny fomba ampiasainy entina mandresy lahatra olona amin’ny fahaizana mampitombo vola hamitahan’izy ireo olona. Izy indray avy eo no nanoro ny namany ka sarona avokoa Ingahy isany Jimmy, Tovo, Juvence, Jacquellin, ary Eric Mbola karohana kosa i Landry. Nanda mafy ny fiampangana azy izy ireo saingy nampangain’ny sary nalain’izy ireo, izay nilalao vola teo ambony fandriana sy nanisa izany, tao anatin’ny findainy nandritra ny fahazoana ny vola 100 tapitrisa ariary tamin-dRtoa R. Priscat voasolokin’izy ireo.

Raha ny vaovao mari-pototra nangonina nandritra ny fisamborana an’Ingahy isany Martial M. sy ny ekipany, dia manao fanelanelanana mafy eo anivon’ny zandary misahana ny raharaha ny depioten’i Toamasina II, izay nilaza fa olona havany sy mpiray tanàna aminy ary mipetraka amin’ny tranony ity tovolahy mpanamboatra vola sandoka sy mpisoloky ity. Tsy nanaiky izany anefa ny zandary raha ny zava-nisy satria nisy ny fitondrana ny raharaha teo anivon’ny fitsarana, izay namoaka didy savaranon-ando amin’ny fiandrasana fitsarana am-ponja, noho ny heloka anenjehana azy ireto amin’ny “fanamboarana vola sandoka sy fisolokiana ary fikambanan-jiolahy” izay heloka be vava eto amintsika.

Ankoatra izay, ny 8 oktobra teo kosa dia nahita vola sandoka maro be narian’olona tao amin’ny “cimetiere” Manangareza ny zandary tao Toamasina. Mitovy tsy misy valaka tamin’ireo vola tratra tao an-tranon’ingahy Martial M. ireto vola ireto izay heverina fa mifandray amin’ny asa fanaovana vola sandoka fanaon’ireto olona tratra ireto ihany. Anjaran’ny fitsarana anefa ny mampifandray izany.

 Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici