- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversFanaovana « vola sandoka » sy fisolokiana : Nosamborin’ny FIP ireo sivy mianadahy, mbola...

Fanaovana « vola sandoka » sy fisolokiana : Nosamborin’ny FIP ireo sivy mianadahy, mbola misy ireo karohina…

Fanomezam-baovao marim-pototra azon’ny polisin’ny FIP tamin’ny olona tsara sitra-po, indrindra fa ireo olona efa niharan’ny fisolokiana sy fanomezana vola sandoka nataon’ireto olona ireo. Miisa sivy mianadahy ireo voarohirohy nosamborin’ny FIP notarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, ny alin’ny alatsinainy 10 oktobra tamin’ny 04 ora tolakandro ary tsy nifarana raha tsy ny talata 11 oktobra tamin’ny 03 ora maraina. Raha ny fanazavan’ny FIP nanao ny fisamborana, dia Ingahy André Saidou, 24 taona, mpamily monina ao Andranomadio no voasambotra voalohany teo anoloan’ny trano fisakafoanana lehibe iray tao Tanambao V. Izy indray avy no nanoro ny namany ka nahasamborana an’Ingahy Imbé Augustin, 31 taona, teny amin’ny lalana Ambohijafy, na monina ao Andranomadio ny tenany. Nitohy hatrany ny fisamborana sy ny fikarohana, ka sarona fahatelo tao Ambalamanasy Ingahy Florenzo 26 taona. Tao Morafeno no nahasamborana an’Ingahy Velona Christian 27 taona sy Ingahy Tovomalala Minosoa, 44 taona. Taorian’izay dia niverina tao Andranomadio 11/43 indray ny FIP ka voasambotra tamin’izany Ingahy Dinarson Yves sy Landry, izay samy 38 taona, ary vehivavy iray Razafimanantsoa Angela, vao 18 taona, mpihazona ny fanafody gasin’izy ireo. Ary fahasivy voasambotry ny FIP Ingahy Ramarisely Solofoniaina, 40 taona. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, dia ireo aloha no voasambotra saingy mbola misy ny maro mbola karohina naman’izy ireo. Isan’izany Ingahy Michel Gérard sy Ingahy Rapà. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa mpisoloky olona amin’ny filazana ho manana “mercure” sy vatosoa lafovidy ary mpanaparitaka vola sandoka ihany koa izy ireo. Raha ny fanazavana dia efa nisy tompon’andraiki-panjakana tafajabaka tamin’ny fisolokiana nataon’ireto olona ireto, ka vola nitentina 350 tapitrisa ariary no voasoloky tamin’izany. Mpandraharaha kosa ny iray hafa voasoloky tamin’ny fividianan-javatra ka nahazon’ireto mpisoloky sy mpanao vola sandoka 40 tapitrisa ariary. Fantatra koa fa olona tsotra iray nahazo no “mercure” tsy izy izay nandoavana vola 600 tapitrisa ariary. Vokatr’izany dia manamafy ny kaomisera Rafaliarivo Jules fa efa maro ny olona voasolokin’ireto olon-dratsy ireto, ka tokony hanatona ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava amin’ny zandary na polisy ireo olona mahatsiaro tena fa voan’izy ireo.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici