- Publicité -
dimanche, août 30, 2026
AccueilFaits-DiversFanapoizinana ara-tsakafo : Olona 30 naiditra hôpitaly teny Ambatomaro

Fanapoizinana ara-tsakafo : Olona 30 naiditra hôpitaly teny Ambatomaro

Nivezivezy imbetsaka teny an-toerana ny ambulance, nitatitra ireo narary.

Fihinanana hanimasaka (composé) teo amin’ny gargotte iray teny an-toerana no voalaza fa antony nahatonga ilay fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny amin’iny faritra Ambatomaro iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Am-polony maro no lasibatra ary voatery naiditra hôpitaly.

Mando, mivalana, marary an-doha, fahasemporana, maso manjavozavo … Ny sabotsy maraina teo avokoa no nitranga ireto soritr’aretina ireto tamin’ireo olona nividy sy nihinana teo amin’io toeram-pivarotana sakafo masaka, teo amin’ny faritra antsoina hoe Mangarivotra, Ambatomaro io. Raha ny fanazavana azo mantsy dia ny omalin’ny nitrangan’ireo soritr’aretina ireo, izany hoe ny zoma, no nividy sy nihinana teo amin’io mpivarotra io ireo rehetra narary. Vantany vao fantatra fa maromaro no voa dia nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra teo anivon’ny fokontany. Nandray andraikitra avy hatrany ireto farany niantso mpitsabo sy ambulance ary nitondra ireo rehetra narary teny anivon’ny hôpitaly teny amin’ny Hjra. Tamin’io andron’ny sabotsy io, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny Sefo fokontany teny an-toerana, dia teo amin’ny roapolo mahery teo ireo voa, izay voaray sy voavonjy ara-potoana avokoa. Efatra tamin’izy ireo ihany no fantatra fa notazomin’ny hôpitaly ary ny sisa nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana. Ny alahady maraina teo kosa dia mbola nisy niverina narary ireo nalefa nody ary niampy ihany koa izany, izay nahatafakatra azy ho telopolo isa. Raha ny vaovao azo dia saika tsy nisy ny namoy ny ainy ary efa manaraka fitsaboana avokoa ireo narary rehetra.

Marihina fa efa nisy ny fidinan’ireo mpitsabo tompon’andraikitra sy ireo mpanao fanadihadiana teo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana teny an-toerana, niaraka tamin’ny teo anivon’ny fokontany. Noraisina ihany koa ny fepetra araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra voalohan’ny fokontany, nanakatona vonjimaika an’ilay toeram-pivarotana hani-masaka teny an-toerana, mandra-pahavitan’ny fanadihadiana sy ny fitiliana rehetra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici