- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFandaharanasam-pahasalamana “ACCESS” : anolotra fitaovana hanamboarana ireo CSB simban’ny Batsirai  

Fandaharanasam-pahasalamana “ACCESS” : anolotra fitaovana hanamboarana ireo CSB simban’ny Batsirai  

Miditra an-tsehatra ny fandaharan’asa “ACCESS” tohanan’ny vahoaka amerikarana Usaid, sy ireo mpiara-miasa aminy, amin’ny fanatsarana ny seham-pasahasalama ny eto amintsika. Fantatra mantsy ankehitriny fa ny 65% ny Malagasy dia mipetraka mihoatra ny 5km ny tobim-pahasalamana. Nisy vokatra izany ny fanoloran’ireto “ACCESS – Usaid” fitaovana samy hafa ahafahana manamboatra ireo tobim-pahasalamana nahita fahasimbana tamin’ireny rivodoza nadalo teto amintsika ireny, ka isan’izany ny rivodoza Batsirai izay nanimba zavatra maro teto amin’ny faritra atsinanana, ka isan’ireny ireo CSB eny ifotony isaky ny Distrika. Ho avy tsy ho ela ny fitaterana azy ireo eny ifotony, ka isany hahazo izany ny CSB 8 avy amin’ny distrika 5, ka ny CSB ao Ranomena Toamasina II, CSB Manambato ao Brickaville, CSB Iamborano sy CSB Tanambao I ao Vatomandry, CSB Masomeloka sy CSB Ambodibonara ao Mahanoro, ary CSB Manakana sy CSB Ambalapaiso ao Marolambo. Nahita simenitra – vy (fer) – fanitso – vato sy fasika – varavarana – hazo fanamboaran-trano – ary fantsika…sns…Ankoatra izany dia nisy koa fanolorana bisikileta mahafa-dalana natolotry ny fandaharan’asa ara-pahasalamana “ACCESS – Usaid”. Niisa 184 ireo bisikileta natolotra ka distrika 7 no nahazo izany, ka bisikileta roa isaky CSB no natolotra. Niatrika izay fanolorana fitaovana samy hafa izany ny talem-paritra atsinananan’ny fahasalamana sy ny talen’ny fandaharan’asa ara-pahasalamana ACCESS – Usaid Toamasina. Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici