- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversFandaminana ny tsena : Pôlisy monisipaly iray nodarohan’ny olona teny Analakely

Fandaminana ny tsena : Pôlisy monisipaly iray nodarohan’ny olona teny Analakely

« Efa napetraka ny fitoriana ilay tompon’andraikitry ny korontana », hoy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ao amin’ny pejy ofisialin’ny tambajotra sosialiny. Ny faran’ny herinandro teo tokoa dia nitrangana korontana indray ny fandaminana sy fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana teny amin’iny faritra Analakely iny. Mazava ho azy fa lasibatra tao anatin’izany ireo mpitandro filaminan’ny kaominina, izay tonga teny an-toerana nanala ireo mpivarotra ireo. Araka ny fampahafantarana nataon’ny Tompon’andraikitra voalohan’ny tanàna dia nisy tamin’ireto pôlisy monisipaly ireto no niharan’ny herisetra tamin’ireo mpanakorontana. « Polisy monisipaly iray no naratra sy voakasi-tanana rehefa nandamina ireo mpivarotra amoron-dalana teo Analakely ». Tonga nandamina ny raharaha teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana taorian’izay ary nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ilay naratra. « Tsy azo ekena ny fikasihan-tanana ny mpitandro filaminana », hoy ny ben’ny tanàna hentitra. Efa nisy araka izany ny fanadihadiana nosokafana taorian’ny fametrahana fitoriana mahakasika ilay tompon’andraikitry ny korontana teny an-toerana. « Tsy mora ny fandaminana ny tanana, indrindra ny asan’ny mpitandro filaminana. Ho hentitra koa isika amin’ny fampiharan-dalàna ho an’ireo tsy mety alamina sy mpanakorontana », hoy hatrany ny fanambarany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici