“Fandorana efa niniana natao io nitranga tao Vavatenina nandritra ny famaranana ny lalao baolina kitra iraisam-pirenena iny, satria roa volana talohan’iny dia efa nisy nanipy trakta sy nanaparitaka trakta tao an-tampon-tananan’i Vavatenina, fa ho avy izy ireo handoro ny Jirama, fa tsy manaja mpanjifa”, hoy ny talen’ny Jirama Toamasina, Atoa Toto Jean de Dieu. Efa tafapetraka teo anivon’ny zandary tany an-toerana anefa ny fitoriana ireto olona enina voarohirohin’ny Jirama nitarika ny fandorana sy fanimbana ny fananam-bahoaka ireto, saingy hatramin’izao, izay efa ho feno iray volana ihany, dia mbola tsy nanao ny fisamborana sy ny fanadihadiana ny zandary any an-toerana noho ny tahotra ireto olona enina voarohirohin’ny Jirama ireto izy ireo, noho ny toerana misy ireo olona ireo ao amin’ny fiarahamonina ao Vavatenina ao. Nisy noho izany ny fangatahana taratasy manokana avy amin’ny fitsarana nataon’ny Jirama mba hanome baiko ireto zandary hanao ny asany amin’ny alàlan’ny “ST”, saingy hatramin’izao dia mbola tsy misy hatrany izany ataon’ny zandary, ka manahy kolikoly sy fampiasam-bola ary firaisana tsikombakomba ataon’ny zandary ao Vavatenina ny Jirama vokatr’izany. Na ho inona anefa ny zava-misy, dia tsy handefitra amin’ny fahazarana ataon’ny olona mandoro sy manimba fananam-bahoaka toy ny natao tamin’ny Jirama tao Vavatenina izao ny Jirama Toamasina. Efa misy ny ezaka atao izao ho fanatsarana ny fitaovana mpamokatra herinaratra; izay ampiasain’ny Jirama ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny mpanjifa, hoy hatrany Atoa Toto Jean de Dieu; ka hanara-maso akaiky hatrany ny mikasika ity raharaha ao Vavatenina ity ny tenany. Ankoatra izay dia nambaran’ity tale ity hatrany, fa aza atao fanilihana ny tsy fetezana rehetra sy ny tsy fahafehezana ny fitaovana ampiasaina ny jirama Toamasina, raha namaly an’Atoa Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara noho ny tsy fetezana tamin’ny fanamafisam-peo nampiasaina nandritra ny lamesa lehibe voalohany notarihan’ny Kardinaly Tsarahazana tao amin’ny kianja Stella Maris. Fitaovana mpamokatra herinaratra mahazaka ireo filana rehetra nandritra iny lamesa lehibe iny no napetraky ny Jirama, saingy noho ny tsy fahafehezan’ny teknisiana ireo fitaovana ireo, dia nisy maro be ny lesoka ka nahasorena ireo mpino niatrika ny fotoam-bavaka lehibe iny. Tsy misy nidiran’ny Jirama ny olana, fa anjara andraikitra manokana sy manontolon’ny tompony, ny tranga niseho, hoy hatrany i Toto Jean de Dieu.
Malala Didier