Sambany no nahitana vehivavy ireo mpianatra manamboninahitra iraisam-piadiana navoaka
Misalotra ny anarana « faha 60 taonan’ny Akademia Miaramila » ireto andiany iraisam-piadiana faha 22 ny Akademia Miaramila Antsirabe ireto. Sambany teo amin’ny tantaran’ny Akademia Miaramila no nahitana vehivavy tao amin’ny andiany iraisam-piadiana. Miisa dimy izy ireo, nahavita ny fiofanana tahaka ny rehetra nandritra ny roa taona, ka izao notolorana mari-boninahitra « sous-lieutenant » izao, niaraka tamin’ireo namany izay mitotaly 40 mianadahy.
Tao amin’ny « place d’armes de la garnison d’Antsirabe » no nanatontosana ny lanonana ara-miaramila, izay notarihan’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michael, tamin’ny alalan’ny fisafoana ny andian-tafika. Nampatsiahivin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika tamin’ny lahateniny ny andraikitra sy adidy miandry ireo manam-boninahitra navoaka, dia ny fanompoana vahoaka sy firenena araka ny fianianana nataony. « Tokony hanakaiky ny vahoaka ianareo », hoy izy nanamafy.
Nialoha ny lanonam-pamoahana ity andiany ity ny lanonana fitsofan-drano ny Andiany mivantana faha 48, izay nampisalorana ny anarana « TARATRA », sy ny fianianana ho an’ny fanompoam-pirenena. Nofaranana tamin’ny matso ny lanonana ara-miaramila, izay notarihan’ny mpianatra manamboninahitra nahazo ny laharana voalohany, ny Lietna-Lefitra ANDRIANANTENAINA Olivier, « Promotion 60ème anniversaire de l’Académie Militaire ».
Andry N.




