- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversFandriampahalemana eto Madagasikara : Voaelingelin’ny Covid-19 ny fanatanterahana ny tetikasa RSS

Fandriampahalemana eto Madagasikara : Voaelingelin’ny Covid-19 ny fanatanterahana ny tetikasa RSS

Tetikasa iray efa natomboka hatramin’ny taona 2013 ny fanovana ny sehatry ny fandriampahalemana eto Madagasikara na ilay antsoina amin’ny teny baiko hoe « Réforme du Secteur de la Sécurité » (RSS). Ny tanjona ao anatin’ity tetikasa ity moa dia ny hametrahana fandriampahalemana maharitra sy mirindra hahatongavana amin’ny tena fampandrosoana ny firenena. Izany dia natomboka tamin’ny fananganana  ny drafitra nasionaly mahakasika ny fanatsarana io sehatra io ka napetraka ny birao nasionaly mandrindra ny fanatanterahana izany izay miankina mivantana amin’ny Fiadidiana ny Repoblika (SPDSN) ary nanaraka ny fivoriambe iraisam-piirenena izay niarahana niasa tamin’ny Firaisambe Afrikana ny taona 2019. Nanomboka teo dia nisandrahaka hatrany ny asa ka nahafahana nametraka ireo rafitra fototra mifandraika amin’ireo rafitra rehetra voakasiky ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Nisy ireo fakan-kevitra isan-karazany hatreny ifotony tamin’ny alalan’ny fanaovana atrikasa maro isam-paritra ka nifarana tamin’ny fandravoanana izany tamin’ny atrikasa lehibe teny amin’ny CCI Ivato. Taorian’izay dia natomboka ny firosoana tsikelikely tamin’ny fanatanterahana ny drafitra ny isan’ambaratongany. Isan’ny lohalaharana tamin’izany ny teo ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena tamin’ny alalan’ny fametrahana ny fanovan-drafitra eo anivon’ny Tafika sy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Torak’izany ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka misahana ny Polisim-pirena. Tanjona tamin’izany ny hampanakaikezana bebe kokoa hatrany ny vahoaka ireo sampandraharaha ireo.

Jerena ny maha-olona. Nisy fiatoana na koa somary narisarisa anefa ny fanatanterahana ity tetikasa RSS ity noho ny fiparitahan’ny valan’aretina teto amin’izao tontolo izao ny faran’ny taona 2019. Voatery natsahatra ny fidinana ifotony amin’ny fanatanterahana io tetikasa io. Nandritra izay fotoana izay no nahitana fa tsy mitsaha-miova ny ambana eo amin’ny fandriampahalemana eto amin’ny Firenena. Ankoatry ny valan’aretina dia niseho ihany koa ireny loza voajanahary nampitondra faisana ny vahoaka malagasy ireny ka nahatsapana fa isan’ny lesoka tsy maintsy jerena manokana ny fandriampahalemana amin’ny maha-olona. Tsy maintsy hampidirina ao anatin’ny drafitra, noho izany, ireo sehatra rehetra misahana ny lafiny maha-olona, toy ny fahasalamana, ny asa sy ny sisa. Mba hanatanterahana izany ka hanohizana ny ezaka efa vita dia nisy ny atrikasa izay notanterahan’ny sekretera maharitry ny Fiarovana sy fandriampahalemana eo anivon’ny  fiadidiana ny Repoblika (SPDSN) sy ny Vondrona afrikana teny amin’ny CEMES Soanierana ny alarobia 14 aprily 2022 teo. Nitarika izany ny lehiben’ny SPDSN, ny Amiraly Randrianarisoa Marosoa Nonenana sy ny solotenan’ny Vondrona afrikana eto Madagasikara Andriamatoa Jean Didier Missilou. Tanjon’ny atrikasa ny hijerena ny rafitra mifanadrify amin’ny fanatsarana ny mahakasika ny fandriampahalemana manerana ny Nosy indrindra ny mikasika ny maha-olona mba ahafahana mijery foto-kevitra entina hanatsarana sy hanitarana  izany fiarovana ny maha-oloana izany. Isan’ny ady hatrehana amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao ohatra ny mikasika ny fahasalamana, toy ny valanaretina covid-19 ; ny dorotanety sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary raha eo amin’ny lafiny tontolo iainana. Amin’ity farany dia jerena manokana ny fiarovana ny sisin-tanin’i Madagasikara izay andraikitra tokony iarahan’ny fokonolona sy ny foloalindahy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici