- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFandroahana Sri-lankais : Mbola tsy tonga eny amin’ny pôlisy ny didy, omaly

Fandroahana Sri-lankais : Mbola tsy tonga eny amin’ny pôlisy ny didy, omaly

Efa tamin’ny alarobia no nivoaka ny didy avy tamin’ny ministeran’ny atitany ny amin’ny fandroahana teratany Sri-lankais 30 noho ny visa tsy mifandraika amin’ny asa ataon’izy ireo. Ny tena antony, raha araka ny fanampim-panazavana azo, dia noho ny fividianan’izy ireo ny volamena izay nivoaka avy ao amin’ny karieran’i Didy (Ambatondrazaka) kanefa izy ireo dia “visa touristique” na koa mpizaha tany no anton’ny fandalovany eto Madagasikara. Ny ampahany indray dia ireo Sri-lankais avy any Ilakaka izay marim-pototra ny taratasy hahafahany mipetraka sy miasa eto amin’ny firenena, saingy tsy manana fahafahana mividy vato sy volamena kosa ivelan’ny faritra atsimo ny taratasin’izy ireo. Dia tonga tany Didy ihany koa ary nanao ny fividianana ireo harena an-kibon’ny tany izay nivoaka avy ao. Nisy tamin’ireo olona ireo no efa nigadra tany amin’ny fonjan’Ambatondrazaka rehefa nenjehina talohan’izao. Ankehitriny dia nivoaka ny didy avy amin’ny ministera tompon’andraikitra ny amin’ny handroahana tsy misy hatak’andro ireo olona ireo. Araka ny lalàna manan-kery dia roa andro (48 ora) aorian’ny fahafantaran’izy ireo ny didy fandroahana no tokony ho efa tsy eto amin’ny firenena intsony izy ireo. Hatramin’ny omaly anefa, raha araka ny loharanom-baovaonay eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, dia mbola tsy tonga eo anivon’izy ireo ilay didy izay hahafahan’izy ireo mihetsika. Heverina ho tsy tratra izany ny fandefasana ireo vahiny ireo amin’ny zoma izao araka ny kajikajy efa nandeha. Manarak’izany, fantatra koa fa misy amin’ireo Sri-lankais ireo no efa tsy eto an-tanindrazana intsony, fa nivoaka any ivelany. Misy efatra izy ireo ka ny fepetra dia niova noho ny tsy maha-eto azy ireo intsony : lasa niampy didy tsy fahafahany miditra eto Madagasikara ilay didy fandroahana. Misesisesy ny fandroahana vahiny tamin’ity tapaky ny taona voalohany ity. Isan’ny niteraka resa-be ny momba ireo Turcs, dia izao koa ny Sri-lankais indray no lasa lasibatra. Teratany inona indray ny manaraka?

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici