
Nanao fanambarana ny orinasa Madagascar Autruche, miorina ao Tsivatrinikamo, Antsirabe, manoloana ny raharaha fibodoana sy fandrobana ny taniny, izay lazainy fa efa nanomboka tamin’ny volana Novambra 2025. Araka ny fanazavan’ny tompon’ny orinasa, izay teratany malagasy, dia fananana ara-dalàna misoratra amin’ny anaran’ny orinasa ilay tany ary manana « Certificat de Situation Juridique », titre foncier ary borne. Nolazainy fa tsy marina ny filazana fa fananan’ny vahiny ilay tany. Nambarany ihany koa fa nandritra ny fanafihana dia nisy nandrava tamboho, nandoro traktera sy fitaovan’ny orinasa, ary mbola nitohy ny fibodoana sy ny fandrahonana ireo mpiasa. Araka ny fanambarana, efa eny anivon’ny Fitsarana ny raharaha, ary efa misy olona namoahan’ny Tribonaly fikarohana. Etsy ankilany, efa manohy ny fanarenana ny tamboho sy ny famefena ny tany ny orinasa. Miantso ny vahoaka kosa ny Madagascar Autruche mba tsy ho voafitaky ny mpibodo tany sy hanaja ny lalàna, satria manana tompony ara-dalàna ilay toerana.
Yv Sam


