- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversFandrobàna tao Betafo : Nidoboka am-ponja ireo olona valo

Fandrobàna tao Betafo : Nidoboka am-ponja ireo olona valo

Natolotra ny fampanoavana omaly. Izy ireo dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana izay nanao “couvre-feu” ny tanàna rehefa voarohirohy ho nandroba toeram-pivarotana iray. Nisy fifandraisana tamin’ny raharaha Rajosoa, ilay mponina ao Betafo, izay niharan’ny fanararaotana nataon’ny andian’olona taorian’ny feo niely ary tsy voamarina akory fa mpangala-jaza ny tenany. Raha tsiahivina dia nogafiana ny tranony ary nodorana aza. Namoy ny ainy hatramin’ny zafikeliny tao anatin’izany korontana izany. Tsy nijanona teo ny raharaha fa ireo izay havany koa dia mbola niharan’ny herisetra sy fandrobàna koa. Isan’izany ity toeram-pivarotana iray tao an-toerana ity. Nisy nibata tao anatin’ny alim-be ny entam-barotra maro tao anatiny. Sendra nifanojo tamin’ireo mpitandro ny filaminana nanao fisafoana anefa ireo olona ka dia noraisim-potsiny. Ireo no natolotra ny fampanoavana omaly ary hatramin’ny fotoana izay nanoratana vao fantara fa nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana fa niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny fihainoana azy dia ny halatra izany. Nodradradraina hatrany fa tsaho no niely ary efa nanomboka nilamina ny raharaha rehefa niditra an-tsehatra ny manam-pahefana nandamina ny sain’ny vahoaka. Ny olana anefa dia nisy olona iray voasambotra indray tany amin’iny faritra iny ihany ary mbola Betafo ihany aza, mahakasika ny hala-jaza izay nolazainy fa misy mividy hatao sorona ny raharaha. Nidoboka am-ponja ny asabotsy teo ny tenany rehefa nandalo fampanoavana. Mipetraka ary ny fanontaniana ankehitriny hoe mitombina ve sa tsia ny fisian’ny hala-jaza sy sorona any amin’iny faritra iny? Toa lasa mifanohitra mantsy ny zava-misy ary na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy lasa amin’izany kely ihany ny sain’ny olona. Samy mila porofo ny roa tonta ary tokony hampahafantarina ampahibemaso hatrany izany alohan’ny handraisana tsoa-kevitra na tsaho na feo niely na zava-misy marina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici