- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversFanendahana eto Tanà : Jerem-potsiny ny mpanao antsilava

Fanendahana eto Tanà : Jerem-potsiny ny mpanao antsilava

Ankoatra ny basy, ny fananan’ireo jiolahy antsilava na sabatra no isan’ny tena mampirongatra ny fanendahana eto an-drenivohitra. Izay rehetra voasambotry ny polisy dia saika niaraka amin’ny zava-maranitra avokoa. Indraindray aza mbola manampy basy koa ireo ankoatra ny sabatra. Izany hoe, tena tsy misy ahafahana manohitra mihitsy ny olon-tsotra raha sendran’ny fanafihana sy fandrobàna na koa sinto-mahery fotsiny aza. Ny jiolahy maro ihany ny voasambotra ary maro koa ny mbola tapa-kevitry ny mamerin-keloka raha vao mivoaka ny fonja. Ny tena fototry ny olana dia ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana ampiasain’ireo, vitsy ihany izany hoe jiolahy manafika amin’ny tanam-polo izany. Ny tena maro, raha ny tsikaritra tamin’ny tranga maro teto Tanà, dia ny fisian’ny antsilava hatrany ampiasain’ireo olon-dratsy. Rehefa hadihadiana tsotsotra dia tena mora amin’izy ireo ny fahazoana izany satria feno etsy sy eroa ny mpanao vy. Ny lalàna rahateo tsy mbola misy mahakasika ny fandraràna ny fanamboarana izany saingy na izany aza dia azo hatao ihany ny mamoaka didim-pitondràna vonjimaika mba hamerana ny asan-jiolahy sy ho fiarovana ny ain’olona. Ny hiafarany mantsy raha izao no mitohy dia na ny olon-tsotra koa aza dia mba hanamboatra zava-maranitra ho fiarovana ny ainy. Ary dia hifanindron’antsy eny an-dàlana eny, sanatrian’izany, ny samy sivily. Ny hamisavisàna ny ratsy, ny mba hiavian’ny soa…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici