- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFangalarana entan’ny mpandeha : Receveur-na taxibe iray tra-tehaky ny pôlisy

Fangalarana entan’ny mpandeha : Receveur-na taxibe iray tra-tehaky ny pôlisy

Raha tsy sendra ny porofo nitohoka tamin’ny tendany mihitsy ity mpanampin’ny mpamily iray izay miasa amin’ny zotra , izay mampitohy an’i Behoririka sy Ambohimangakely, vao niaiky ny heloka vitany. Ny alarobia teo izy no nosamborina rehefa tsy afa-niala intsony fa nivarotra ilay entana halatra taman’olona. Raha ny zava-nitranga tokoa,  ny sabotsy lasa teo, nisy mpanentana lanonana iray nanofa ny iray tamin’ireto fiara tao amin’ity zotra ity mba hitatitra ny entany any amin’ilay lanonana. Nony alina, vita ny asa dia naterina ireo entana ka tamin’izay nanjavona ny kitapo iray, izay misy solosaina fentin-tanana roa be izao tao anatiny. Niantefa avy hatrany tany amin’ilay mpanampin’ny mpamily ny ahiahy, satria izy no hita nibata ilay entana natao tao anaty fiara. Nandà hatramin’ny farany anefa ity tovolahy ity. Andro vitsy taorian’io,dia nisy nampandre ny tompon’ilay entana fa misy olona mivarotra solosaina mitovy amin’ny iray very, amin’ny vidiny sivy alina monja teo aminy. Rehefa natao tokoa ny fitiliana sy ny fijerena ilay solosaina, dia fantatra  fa tena ilay very tao anatin’ilay taxibe io. Natao ny vela-pandrika rehetra ka voatondro fa ilay tovolahy « receveur » no loharano niavian’ity solosaina halatra ity. Satria fantatra ny toerana misy azy, dia mora tamin’ireo mpitandro filaminana no nisambotra ity tovolahy ity, izay tsy afa-nandà intsony. Efa naverina tamin’ny tompony avokoa moa ireo entana very. Atao famotorana kosa ingahy « receveur » ary hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici