Mahatratra 125 662 ny isan’ny mpifidy ato anatin’ny distrikan’i Moramanga izay fantatra tamin’ny famaranana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ny volana aprily lasa teo. Mbola misy ireo ezaka miandry ity komity mahaleo tena ity satria ny1 desambra 2017 ka hatramin’ny 30 janoary 2018 dia mbola mitohy hatrany io fanavaozana io. Vonona hatrany ny eo anivon’ny CENI hampiatra ny mangarahara ny amin’ny hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra anaty filaminana, ferana ny vola hampiasaina mandritra ny fampielezan-kevitra ary ny tokony haleo tena tanteraka ny CENI ara-bola; io no nambaran’ny filohany sy ireo mpiara-miasa aminy mpanatanteraka teto Moramanga ny zoma 25 Aogositra 2017 tamin’ireo mpanao politika sy mpitondra ary ny olom-pirenena rehetra tao amin’ny efitrano malalaky ny distrikan’i Moramanga. Izany no natao hoy ihany ity tompon’andraikitra ambony mahakasika ny fifidianana ity dia ny fanomanana sahady ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018. Fotona nahafahan’ny tsirairay nametraka ny fanontaniana rehetra manodidina ny fifidianana ity fotoana ity.
CATHY