vendredi, avril 25, 2025
AccueilFaits-DiversFankalazana ny 26 jona 2023 : Nivoaka ny famantarana sy ny tara-kevitra

Fankalazana ny 26 jona 2023 : Nivoaka ny famantarana sy ny tara-kevitra

“Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso”. Io indray no tara-kevitra hitondrana ny fankalazana ny datin’ny 26 jona amin’ity taona ity. Ny zoma teo no namoahan’ny komitim-pirenana misahana ny fankalazana ity andro mananan-tantara eto amin’ny firenena ity (CTNO) teny amin’ny ny trano fivorian’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena eny Ampahabe. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanehoana ny sary famantarana na “logo” entina manamarika izany. Ity farany ity moa izay mampiseho ireo pitsopitsony rehetra fonosin’io datin’ny 26 jona 2023 sy ny mapiavaka manokana an’i Madagasikara eo anivon’izao tontolo izao. Hita ao araka izany fa feno 63 taona amin’ity taona ity ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny faha-63 taona niforonan’ny foloalindahy malagasy, izay mifanindran-dalana hatrany. Ho an’ity farany dia misongadina eo afovoan’ity “logo” ity ny sarin’ny lehilahy iray mitana ny fanevam-pirenena. Mandravaka izany ny sary “Ravinala” izay hazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Marihina moa fa efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina io tara-kevitra sy sary famantarana io rehefa novolavolain’ny CTNO, izay efa am-perinasa tanteraka nanomboka ny volana martsa lasa teo.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici