- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFankalazana ny 3 Mey : Nanamarika izany ny Vondron’ny Mpanao Gazety Antsirabe

Fankalazana ny 3 Mey : Nanamarika izany ny Vondron’ny Mpanao Gazety Antsirabe

Toy ny fanao isan-taona dia nanamarika ny andron’ny 3 mey  andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny V.M.A na Vondron’ny Mpanao gazety Antsirabe, fikambanana tokana misy eto Antsirabe ivondronan’ireo mpanao gazety rehetra. Fanadiovana sy fanavaozana ny tsangam-baton’ny mpanao gazety eto Antsirabe no hetsika nentina nanokafana ny  tapak’andro maraina. Ity tsangambato ity izay naorina tamin’ny taona 2015,  dia misy hatrany ny hetsika fikarakarana sy fanavaozana ity isan-taona.

Taoarian’izany nisy ny fandaharana manokana naparitaka amin’ireo haino aman-jery eto Antsirabe. Fandaharana izay niresahana manokana ny asa fanaovan-gazety sy ny manodidina azy tamin’ireo mpanao gazety  vao sambany no niditra tamin’izany sehatra izany sy ny mpanao gazety  zoky olona indrindra eto Antsirabe. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Bonaventure Andrinarimisana, fa efa hita taratra izany fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany, saingy tsy maintsy misy hatrany ny sakana amin’ny famoahana ny vaovao satria tsy maintsy manaraka ny  “ligne editoriale” hiasany ny mpanao gazety iray. Ahitana taratra an’io fahalalan’ny asa fanaovan-gazety io ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana ; izay loharanom-baovao marim-pototra ho an’ny mpanao gazety raha eto Antsirabe manokana.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici