Hotantetahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny alahady 13 ny volana aogositra ho avy izao ny fankalazana ny faha-18 taona nijoroan’ny fiangonana Rhéfi eto Madagasikara. Efa vonona sy mipetrapetraka ny fanomanana karakarain’ny tompon’andraikitra rehetra miaraka amin’ny Pasitera 500 nivory tsy an-kiato handraisana ireo mpino mahatratra 50 000 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, andrasana hanatrika ity fotoan-dehibe ity. Efa saika tonga avokoa ireo mpino rehetra avy any amin’ny faritra hanotrona ity fihaonambem-pirenena ho an’ny Rhefi ity, hoy ny pasitera Rakotondrabako Théophile, lefitry ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Rhefi. Manantena izy ireo fa ho tonga 100% ny avy eto amin’ny “Grand Tana” rehetra. Efa vonona ny trano handraisana ireo avy any amin’ny faritra izay nomena safidy malalaka amin’izay tiany, toy ny hotely lehibe, fiangonana, na mivantana any amin’ny fianakaviany. Tsy misy atahorana ihany koa ny fitandroana ny filaminana. Efa vonona ny amin’izany izy ireo, ahitana polisy sy mpitandro filaminana sivily hanampy amin’ny fandrindrana ny filaminana. Teny faneva amin’io moa ny hoe « Vavaka fandravana sakana » ka anasana ireo olona rehetra tsy an-kanavaka ho tonga eny amin’ny Coliseum, fa hoentina am-bavaka, mba hiova tanteraka ny fiainana. Araka ny nambaran’ny filohan’ ny filankevi-pitantanana ny Rhéfi Madagasikara, ny pasitera Randrianaivoravelona Adolphe, dia efa vonona tanteraka na ny fandraisana, na ny fitandroana ny filaminana rehetra. Afaka tonga daholo ny mpanao politika rehetra fa ho fitandroana ny hasin’ny fiangonana, mba tsy ho fitaovana politika, dia tsy afaka mandray fitenenana izy ireo. Nambarany ihany koa fa anasana ny vahoaka iray manontolo ivelan’ny fiangonana Rhéfi ny fotoana ka itondrana am-bavaka ny olana misy rehetra. Tsy maintsy hivaha ny sakana tsy mampandroso rehetra misy eo amin’ny fiainana. Hisy ihany koa ny hira fiderana izay hotanterahin’ny Groupe de Louange. Hisy ny toriteny, vavaka manokana ary vavaka ho an’ny firenena.
T.M.