Ny datin’ny 25 jona no efa nihanoka tao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona nahazoana ny fahaleovantena ny teto amin’ny tanànan’Antsirabe tamin’ny alalan’ny afomanga. Nitohy izany ny 26 jona teo anoloan’ny tsangambato tamin’ny alalan’ny matso lehibe nataon’ny andian-tafika ny mpianatra, fikambanana, ny mpiasa amin’ny sokajiny avy sy ireo fitavalevam-paritra eto Vakinankaratra. Nitarika ny lanonana ny prefet an’Antsirabe Randrianaivo Ravakiniaina, niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra sy ireo tomponandraiki-panjakana, manampahefana sivily sy miaramila. Nahatratra 60 isa ireo notolorana mari-boninahitra teto Vakinankaratra izay nitsinjara toy izao. Ho an’ireo nahazo ny “ordre national”, Grand-croix de 2ème classe niisa 2, nahazo « commandeur de l’ordre national » niisa 3, raha toa ka 11 kosa no nahazo ny “ chevalier de l’ordre national ». Tokana no nahazo ny « ordre de mérite de Madagascar » raha toa ka 44 no nahazo ny médaille de travail, ka 27 volafotsy , 17 kosa alimo. Naharitra ora roa teo ho eo ny matso, nisongadina ny fitafy Malagasy. Nilamina tsy nisy tomika ny fandrindra , saingy tsy toy izany kosa ny taty ambadika. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa filokana sy firevena, mpivarotra zava-pisotro maha mamo no nameno ny sisin’ny araben’ny fahaleovantena hatreny amin’ny gara, na lalana ho an’ireo mpijery afomanga aza nanahirana. Ankoatra izay, maimbo ny manodidina satria eny an-tsisin-dalana ny olona no manao maloto. Efa nahenoana fitarainana ireo Hotely lehibe eny amin’ny manodidina fa asa aloha izay hitranga ato ho ato, antenaina ny hisian’ny fepetra horaisina fa ny tsikaritry ny maro aloha dia miha simba ny tananan’Antsirabe.
Andry N.




