- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversFanodinkodinana 440 tapitrisa ariary : Mbola karohina ilay mpiasan’ny banky ahiahiana

Fanodinkodinana 440 tapitrisa ariary : Mbola karohina ilay mpiasan’ny banky ahiahiana

Hatreto, mbola tsy hita Razakarivony Yves Rivofanantenana  Daniel na Yves, mpiasan’ny banky izay ahiahiana ho nanodinkodina vola 440 tapitrisa ariary, tao amin’ny banky BNI eny Tsimbazaza, tamin’ny voalohandohan’ity volana Aogositra ity. Mitohy ny fikarohana, hoy ny voalazan’ny lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fikarohana ny heloka bevava (BC) eo anivon’ny Polisim-pirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nambarany fa, efa nalaina am-bavany avokoa ireo olona izay nifanerasera tamin’i Yves. Isan’izany ny vadiny andefimandriny ; izay efa notanan’ny polisy hatramin’ny nahatrarana ny fiara Renault Clio, izay nentin’ity lehilahy ity farany nialoha ny nanjavonany. Nariany teny Anjomakely, tsy lavitra ny toeram-ponenany, ilay fiara. Toy izany koa ireo mpanjifa noraisiny tao amin’ny banky izay hita tamin’ny « caméra de surveillance ». Ny fanarahana ny antso an-telefaonina nataon’i Yves tamin’ny fampiasana ny teknolojia avo lentan’ny fifandraisana no nahalalan’ireo polisy manao ny famotorana, fa nandalo teny Talatamaty i Yves vao tsy ela. Noho izany, azo heverina, hoy ny filazan’ny polisy, fa mbola eto an-tanindrazana ihany ity lehilahy ity. Nilaza ho tsy afaka ny mitoky teny fantatra amin’izany kosa anefa ny eo anivon’ny BC, noho ny halehiben’ny sisin-tanin’i Madagasikara. Ity farany izay tsy azo antoka loatra hatreto ny fiarovana azy. Koa manentana hatrany ny rehetra ny polisy mpanao famotorana mba hampandre ny manampahefana na ny mpitandro ny filaminana, raha misy manam-baovao mahakasika ity Razakarivony Yves Rivofanantenana Daniel na Yves ity. Izy dia teraka tamin’ny 7 Mey 1977 tao Ambatofotsy sy mitondra ny kara-panondro laharana 117 431 0001 654.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici