- Publicité SW45 -
dimanche, février 16, 2025
AccueilFaits-DiversFjkm Soanierana : Fanokanana diakona sy loholona 226 isa

Fjkm Soanierana : Fanokanana diakona sy loholona 226 isa

Tontosa ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Fjkm Soanierana, ny fanokanana ireo diakona sy loholona vaovao, voafidy hanampy isa ireo teo aloha. Nahatratra hatrany amin’ny 226 mianadahy ny isan’izy ireo, ka ny 149 amin’izany no vao notokanana ary ny 79 no efa teo aloha sy noraisin-tanana. Nampisalorana ny anarana hoe « Fanasina » moa ireto diakona sy loholona ireto izay hiandraikitra sahady ny asa atao eo anivon’ny fiangonana ao anatin’ny efa-taona. « Ireto diakona sy loholona ireto no hitantana ny birao sy ny sampana, sampana asa rehetra » hoy ny fanazavan’ny mpitandrina,  Andriamampionona Razakamahandry Théophile. Ankoatra ny asa eo anivon’ny fiangonana dia mbola miandry ireto diakona sy loholona ireto ihany koa ny asa any amin’ny faritany. « Ny Fjkm Soanierana dia miasa, miasa hatrany (…)  Mijery ny sahirana,indrindra fa ireo sahirana ato amin’ny fiangonana. Misy koa ny asa toy ny fanamboarana ny fiangonana . Ohatra amin’izany ny ao Tanambao mahatsara, ny ao Marovola Brickaville. Miandry an’ireo diakona ireo ihany koa ny fankalazana ny faha-166 taonan’ny fiangonana sy ny famitana ny fjkm vineta any Toliara ». Fotoam-pivavahana tsotra nefa nanana ny naha-izy azy io natao ny alahady io, izay narahana asa vavolombelona hafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici