- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanolanana faobe : Mpanakanto enina nidoboka am-ponja ao Toliara

Fanolanana faobe : Mpanakanto enina nidoboka am-ponja ao Toliara

Ny alin’ny talata teo vao vita ny fakana am-bavany ireo artista enina ao anatin’ny tarika iray, tao amin’ny fampanoavana tao Toliara. Nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa izy rehetra noho ny fanolanana faobe ny zazavavy iray vao 13 taona. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Tsimenatsy no nisehoan’ilay tranga ary efa ho iray volana lasa izay. Narary anefa ilay zazavavy ary fantatry ny ray aman-dreniny ihany ny zava-nitranga rehefa nohadihadiany ilay zaza. Aretina tany amin’ny maha-vehivavy no niseho ary rehefa nataon’ny mpitsabo ny fandalinana dia fantatra fa efa tsy nadio intsony koa ilay zazavavy. Ny tena mampihoron-koditra tao anatin’ity raharaha ity dia sady naolana no nalaina sary an-telefaonina ilay niharan-doza. Tsy izay ihany aza fa mbola namidy indray avy eo ilay horonan-tsarimihetsika ary teratany vahiny no nividy izany. Tsy afaka nandà intsony ireo mpanakanto satria naparitak’ilay vazaha tamin’ny tambajotran-tserasera ilay “film” mamoafady. Nandeha avy hatrany ny fikarohana sy ny fisamborana ireo olona voakasiky ny raharaha ary nidoboka am-ponja raha nandalo ny fampanoavana. Ireo artista ireo anefa dia isan’ny malaza ao Toliara ankehitriny ary isan’ny nanentana tamin’ny hetsika lehibe iray vao nandeha tamin’ny herinandro. Tsy nisy nanam-po ny zava-bitany tokoa…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici