- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana masera : Nisy olona 14 hafa indray nosamborina

Fanolanana masera : Nisy olona 14 hafa indray nosamborina

Mitohy ary tsy mijanona fa mihazakazaka hatrany ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana mitambatra mikasika ilay fandrobana sy fanolanana masera niseho teny Antsahatanteraka, tao Andranomanelatra . Nitombo indray ny voasambotra, nisy ny nandray anjara mivantana,  nisy kosa ny nandray anjara  an-kolaka amin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy. Hatreto dia olona 14 indray no voasambotra hatramin’ny alarobia 19 aprily lasa teo, ankoatra ireo 30 mahery nalaina am-bavany ka notanana am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy. Marihina fa dia misy vehivavy efatra  tamin’ireo voasambotra farany ireo. Teny Ambohimena no sarona ny iray ary vadin’ny iray tamin’ireo jiolahy nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana ny iray hafa. Mbola tratra teny amin’izy roa ireo moa ny vola devizy hafa ary ny tena nahagaga dia ny fahitana ody ratsy tao amin’ilay vehivavy iray. Voalaza aza moa fa dia io vehivavy voasambotra io no mpanao odiratsin’ireo jiolahy ireo mialoha ny fanafihana ataony. Ankaotra izay, nisy fitaovana maro fitondra manafika mbola sarona tany amin’ireo jiolahy voasambotra ireo. Nandritra ny fisamborana ireo olona voatonana ireo moa dia nisy ny nikasa hamaly sy nanao tari-dositra ka voatery nitifitra ny mpitandro fillaminana, jiolahy iray no voatifitra teo amin’ny feny. Nomarihin’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa misy amin’ireo jiolahy voasambotra ireo no efa mpamerin-keloka  ary efa  nokarohina hatramin’ny ela. Raha jerena koa ny fitrangan’ny fanafihana dia saika mitovy tamin’ireo tranga niseho teo aloha hatrany ny fisehony. Nanamarika izany ny fahitana vato maro be tsy lavitra ny tobin’ny masera izay fomba fanaon’ireo jiolahy amin’ny fitorahana raha misy manakantsakana.  Marihina moa fa tsy tamina toerana iray  akory no nahatratrana ireo 14 voasambotra ireo fa niparitaka tamina toerana maro, toy ny teny amin’ny kaominina Ambano, Saoanindrariny, Andranomanelatra ary teto Antsirabe. Maro tamin’ireo ampahany voasambotra ireo ihany koa no efa niaiky fa nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana. Mitohy hatrany ny fanadihadiana.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici